Tantara mikasika ny Shina tamin'ny Oktobra, 2019
Ny fiantraika ratsin'ny gripan-kisoa Afrikanina amin'ny krizin'ny famatsiana kisoa ao Shina?
Tamin'ny volana septambra, herinandro vitsivitsy alohan'ny faha-70 taonan'ny fiorenan'ny Repoblika Entim-bahoakan'i Shina, nanomboka namoaka ireo fitehirizana stratejika henan-kisoa nampangatsiahana mivaingana ny governemanta shinoa mba hamaliana ny filàna henan-kisoa eo amin'ny tsena anatiny.
‘Abominable’ filma navoakan'ny DreamWorks voarara any Vietnam, Malayzia, ary ny Filipina noho ny famoahana ilay fari-dranomasina ifandirana lazain'i Shina ho azy
"Mila mifampiresaka amin-dry zareo isika ary olona maraintsaina ireo... Mba diso lalana fotsiny ry zareo."
Nesorin'ny Google tao amin'ny Play Store ny lalao miantsehatra amin'ny fihetsiketsehana tao Hong Kong
Manome ny antsipirihany momba ny toe-draharaha politika izay mitarika ny fihetsiketsehana miaraka amin'ny sarintany misy ny toerana hitrangany ao Hong Kong ilay lalao finday antsoina hoe "Ny Revolisiona amin'ny Androntsika".
Nandrara ilay mpilalao e-sport ao Hong Kong tsy hanao fifaninanana noho ny hiaka nataony momba ny teny filamatra manohana ny demokrasia ny orinasa Amerikana Blizzard mpamokatra lalao
Ho esorina amin'ny fifaninanana ilay mpilalao e-sport sady tsy omena loka lelavola ary voarara tsy hifaninana amin'ny Hearthstone hatramin'ny taona 2020. Manana ampaham-bola 5% ao amin'ny Blizzard ny orinasan'ny teknolojia Shinoa goavana Tencent.
Ny fitsaboan-tena maharitra rehefa afaka tany Xinjiang
Manolotra ny fikarakarana ara-pitsaboana ho an'ireo niharam-boina tany amin'ny tobim-pamonjana Shinoa ny tetikasa fanohanana ara-bola handraisana anjara ao Kazakhstan saingy ela vao sitrana ny fiantraikan'izany ara-tsaina.
Nolavin'ny mpanara-maso ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety toy ny ‘setroka’ ny '70 Taonan'ny Fivoaran'ny Zon'olombelona ‘ tany Shina
Nitsipaka ny taratasy ofisialy avy amin'i Shina ka nilaza ny zon'olombelona ho toy "setroka" natao hanafenana ny "fandraketana mahatsiravina" ao amin'ny firenena amin'ny resaka zon'olombelona sy ny fahalalahan'ny asa fanoratan-gazety ny Reporters Sans Frontières.
‘Ny anay koa vola aloha vao fahafahana': Esoesoin'ireo mpamorona ny South Park ny NBA
Sioka tokana monja momba ny fihetsiketsehana ao Hong Kong dia mety hiteraka adin-teny eo amin'i Shina sy i Etazonia ary hamarana ny vinavinam-barotry ny NBA ao amin'ny tanibe Shina .
Hetsika tsy nahazoana alàlana tany amin'ny fiantsonan'ny metro tao Hong Kong, niafara tamin'ny fanafihan'ireo polisy mpandrava korontana tamin'ny alalan'ny langilangy sy tsifotra misy dipoavatra
Nipoaka nanerana an'i Hong Kong ny fifanandrinana mahery setra taorian'ny nihantsian'ireo olona an'arivony maro ny fandraràna nataon'ny polisy sy nivoriany tsy "nahazo alàlana" tamin'ny faran'ny herinandron'ny 31 Aogositra 2019.
Sina: Mikendry ilay goavambe eo amin'ny teknolojia ny hetsipanentanana manohitra ny votoaty vetaveta
Anilan'ireo vohikala momba ny literatiora sy ireo kilalaon-tsary anaty aterineto, isan'ireo tena lasibatry ny hetsika farany ataon'ny CCP enti-manohitra ny votoaty mamoafady ihany koa ny Sina, goavambe eo amin'ny lafiny teknolojia.
Mandrisika ny mpiserasera ny Fahitalavi-panjakana ao Shina mba handrahona ireo mpanao fihetsiketsehana sy mpitati-baovao ao Hong Kong amin'ny alalan'ny famoahana ny sarin'izy ireo amin'ny tranonkala
Nandrisika ireo mpiserasera Shinoa ao amin'ny tanibe ny haino aman-jerim-panjakana ao Shina mba hampiasa ny tranonkala fandrahonana (doxing) hkleaks.ru mba hampibaribary ireo mpanao fihetsiketsehana sy mpitati-baovao ao Hong Kong.