Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Marsa, 2018

Tantara mikasika ny Shina tamin'ny Marsa, 2018

24 Marsa 2018

Voatsikera ho Manao “Fanavakavaham-bolonkoditra” Tamin'ny Fanasongadinana Tava Mainty ny Fahitalavi-Panjakana Shinoa

Voalohany nijereko ny fampisehoana taombaovao shinoa tamin'ny CCTV ary dia navoakan-dry zareo avy any vehivavy shinoa nolokoina mainty ny tavany... miaraka amin'ny "gidro" zatra fonenan'olona (nolalaovin'ny lehilahy iray avy any Côte d'Ivoire)...

19 Marsa 2018

Manambàka Sy Maharomotra Ireo Shinoa Manampahefana Mpanao Sivana Ilay Sarinteny Ankamantatra Momba Ny Fetiben'ny Fanilo

Sarinteny ankamantatra, fomba miafina hitsikeràna ilay volavolam-panitsiana ny lalàm-panorenana vaovao mikasika ny fetran'ny fotoam-piasàn'ny filoha ho indroa, hitan'ireo mpisera amin'ny aterineto shinoa.

18 Marsa 2018

Global Voices Maitso Amin'ny Andron'ny Tany 2008

Ilaina ny mampifanaraka ny valan-javaboahary amin'ny fiovaovàn'ny toetrandro ...Mivoaha ary mandehana amin'ny taninao. Ny firenenao. Ny planetanao. Dieny mbola manana azy ianao.

14 Marsa 2018

Japàna: Topimaso Amin'i Yasukuni, Ilay Sarimihetsika.

Nahatonga adihevitra ny sarimihetsika fanadihadiana iray naha-be resaka momba ilay fasan'i Yasukuni, notontosain'ny Shinoa iray mpanatontosa sarimihetsika tamin'ny alalan'ny famatsiambola nomen'ny masoivohom-panjakana Japoney, taorian'ny nikarakaran'ny vondrona iray eo amin'ny fitondrana, ny LDP, ny fandefasana izany mba hitsarana ny "tsy fiandaniany". Nanolotra fomba fijery samihafa momba ilay toe-draharaha sy ilay hevitry...

08 Marsa 2018

Haseho Sa Tsy Haseho Ao Shina

Bilaogy maro no niresaka ny fanivanana ny Memoir of A Geisha sy ny Brokeback Mountain tao Shina.

04 Marsa 2018

Shina: Miteraka Tsikera Ilay Areti-Mifindra EV71.

Tamin'ny taona 2003, nafenin'i Shina ny zavamisy hoe nahita tranga an-jatony tamin'ilay karazana vaovao tamin'ny aretin-tratra mahafaty ry zareo, izay lasa fantatra amin'ny hoe SARS

02 Marsa 2018

Rakipeo: Famahanana Bilaogim-pitiavana Amin'ny Teny Shinoa

Tany Shina ny Profesora Charlie Nesson, mpanohana mahafatra-po ny Global Voices. Nandrakitra rakipeo izay nanatontosany antsafa tamin'ny bilaogera Shinoa iray niarahany tamin'i Ben Walker, mpanao gazety ao amin'ny onjam-peo antserasera iray; mampiasa ny bilaoginy ity bilaogera Shinoa ity hifandraisany amin'ny sipany izay indrisy fa mipetraka any an-tanàndehibe hafa.