Tantara misongadina mikasika ny Malezia
Tantara mikasika ny Malezia
Nahazo fampiantsoan'ny polisy ireo Mpahay lalàna Malayziana nanao ny ‘diaben'ny fahalalahana ara-pitsarana’
"Nametraka ohatra ratsy ho an’ny olom-pirenena ny fihetsiky ny polisy, satria mampita hafatra fa tsy afaka mampiasa ny zony araka ny lalàmpanorenana ny olom-pirenena na dia manaja ny lalàna aza ..."
Mampanahy ny Malayziana ny fikasana hivarotra fampihatra tsongodia amina orinasa tsy miankina
"Noahiahian'ny rehetra fatratra ny diatongo-pifandraisana nefa ny tsongom-PIFANARAHANA no tokony ampiahiahy antsika"
Artista Malayziana miatrika fiantsoan'ny polisy sy fiampangana roa amin'ny famoahana afisy maneso
Tsy maintsy mianatra mandray ny fanakianana ampahibemaso sy ny tsy fitovian-kevitra ireo mpitarika ao amin'ny Governemanta ary mitsahatra tsy manenjika ireo mpitsikera toa an'i #FahmiReza noho ny fihomehezana ireo (mpitondra fanjakana)
Mpianatra Malayziana mifampizara lesona mampiasa fitaovana ankihy hampiroboroboana fiteny indizeny
Manana hirika ny mpianatra hanavatsava, hieritreritra ary hamakafaka ny fomba fiasa sy ny anjara asan'ny fiteny vazimba ao amin'ny fiarahamonina sy ao amin'ny vondrom-piarahamonina vazimba.
Hetsika #Lawan mitaky ny fialan'ny praiminisitra Malayziana amin'ny fiatrehana ilay valan'aretina
"Ahitana tanora maro ny mpanomana ity hetsi-panoherana ity, ary derainay ny fitiavana sy ny fanoloran-tenan-dry zareo ho an'ny firenentsika."
Miatrika fanadihadiana noho ny sarimihetsika fohy mampiseho ny herisetra nataon'ny polisy ireo mpanakanto sy mpikatroka Maleziana
"Natao hampanginana ny feontsika sy hanodinana ny tsindry ataon'ny vahoaka amin'ny trangam-pahafatesana any am-ponja tao anatin'ny volana vitsivitsy ireo fandrahonana atao amin'ny mpikatroka mafàna fo, mpanao gazety ary mpanakanto amin'izao fotoana."
Lisitra nandaharana sarimihetsika maitso: Sarimihetsika fohy aziatika miresaka tontolo iainana
Asongadin'ireo sarimihetsika ireo ny tolon'ireo vondrompiarahamonina isankarazany hiarovana ny tanin-dry zareo, ny tontolo iainany ary ny lovany ara-kolontsaina.
Mpanakanto Maleziana roa miatrika ny famotopotoran'ny polisy noho ny fanehoan-kevitra an-tserasera sy ny zavakanto
"Manakana ny fanehoan-kevitra ara-pamoronana, mampangatsiaka ny fifanakalozan-kevitra ampahibemaso, ary manimba ny fahatokisana ireo manampahefana Maleziana ny fanenjehana ireo mpanakanto toa an'i Zunar sy Fahmi."
Nampitandrina ny mpitsikera fa mety hanimba ny demokrasia ny hamehana ara-pahasalamana any Malezia
"Tsy tokony horaisina ho fahavalo sy hifanehitra amin'ny miaramila ny olon-tsotra."
Nakaton'ny mpandrindra ny Aterineto ao Malezia ny kaonty Twitter taorian'ny fiparitahan'ny sioka manafintohina
"It is shocking that they violated Twitter's terms by acquiring an account of a person that had no shame with their racism, misogyny, anti-baldness." "Manafintohina ny fanitsakitsahan'izy ireo ny fitsipika napetraky ny Twitter tamin'ny fahazoana kaontin'olona iray izay tsy menatra amin'ny fanavakavaham-bolonkoditra, ny fankahalana vehivavy, tsy tia sola loha."