Tantara mikasika ny nomad green
Rising Voices: Tamberin'ny taona 2010
Taona feno hetsika ho an'ny Rising Voices sy ny fiarahamoniny ny taona 2010.
Nomad Green: Miatrika ny fandrahonan'ny fiitaran'ny tany hay ny olon-tsotra tia manao gazety
Amin'ny lahatsoratra androany isika hijery ny sasany amin'ireo tatitra avy amin'ireo mpiaro an-tserasera ny tontolo iainana ao Mongolia, izay nahazo fiofanana momba ny median'olon-tsotra avy amin'ny Nomad Green, nahazo vatsy tamin'ny Rising Voices.
Nomad Green: Ny fandotoan-drivotra mandritra ny ririnina any Mongolia
Niatrika ririnina mafy ny Mongoliana tamin'ny taona 2010 ary vao mainka niteraka olana ny fandotoan-drivotra avy amin'ny fatana sy ny fandoroana saribao ataon'ny orinasa . Nanasongadina ny fahasimban'ny tontolo iainana any Mongolia ireo mpanao gazety olon-tsotra avy ao amin'ny tetikasa Nomad Green.
Nomad Green: Atrikasa maro tany Mörön, Khatgal ary Ulaanbaatar
Nikarakara atrikasa tany amin'ny faritanin'i Khövsgöl, any avaratra atsinanan'ny firenena ny Nomad Green, tetikasa tohanan'ny Rising Voices any Mongolia. Ity faritra ity dia malaza noho ny hatsaran'ny natiorany sy ny farihy Khövsgöl ary iray amin'ireo toerana fisarihana mpizahatany lehibe any Mongolia.
Nomad Green: Ahiahy Mikasika Ny Ulaanbaatar
Manely ny heviny ireo mpanao gazetim-bahoaka miaro ny tontolo iainana ao amin'ny Nomad Green mikasika ireo olana manodidina ny tontolo iainana mihasimba any Mongolia. Navoaka amin'ny teny Mongoliana ireo lahatsoratra ireo ary voadika amin'ny teny Anglisy sy Sinoa ny sasany amin'izy ireo.Mijery ny sasany amin'ireo vaovao vao haingana ao amin'ny Vohikalan'ny Nomad Green isika anatin'ity fitetezana ity.
Nomad Green: Amoron-tevan'ny faharavan'ny tontolo iainana i Mongolia
Ireo olon-tsotra mpampita vaovao ao amin'ny Nomad Green dia miezaka manentana mikasika ny fahasimban'ny tontolo iainana ao amin'ny firenen-dry zareo amin'ny fitodihana amin'ireo vahoaka Mongoliana sy ny mpamaky avy amin'izao tontolo izao. Taterin-dry zareo ny loza mitatao zakain'ny tontolo iainana ao Mongolia noho ny fiovan'ny maripana erantany sy ny ataon'ny olombelona.