Tantara mikasika ny Shina tamin'ny Novambra, 2019
Midika ny fandresena miezinezina azon'ny pro-demaokraty tamin'ny fifidianana isan-toerana ao Hong Kong, fa maka sisiny i Beijing
Raha marina ny hoe te-hamerina ny filaminana ny vahoaka, maro no mahatsapa fa ny governemanta no voalohany nahatonga ny korontana.
Shina: “tsy liana amin'ny resaka politika aho, ny vola irery ihany no mahaliana ahy”
Ny hoe tsy liana amin'ny politika aho dia tsy midika akory fa tsy miraharaha an'io aho... Manaraka izany, hampiasa ny volako amin'ny fnaovana asa soa aho. Toy Izay no làlana nofidiako, ary ianao mba ahoana, ry namako?
Angondrakitra vaovao aty anaty aterineto mitahiry ireo sary efa ho 40.000 momba ny fibodoan'i Japàna an'i Shina
Angondrakitra vaovao aty anaty aterineto mitahiry ireo sary efa ho 40.000 manome topimaso momba ny fibodoan'i Japàna ny tao avaratra atsinanan'i Shina
Shina: Tantara ratsin'ny resaka akoho mitsindrona ‘hormone’ aroson'ireo orinasa ‘Fast Food’ maro rantsana erantany
Maromaro ireo orinasa maro, toy ny KFC sy McDonalds, no voasaringotra aminà tantara ratsy momba ny sakafo tsy ara-pahasalamàna tato ho ato. Misy ireo feo nasiônalista miantso ny handroahana ireo marika vahiny, raha ny hafa kosa mihevitra hoe ireo manampahefana tomponandraikitra no tokony hotsiniana amin'ny tsy fanarahamaso ny fiarovana ara-tsakafo.
Tsikerain'ny FTMF ny fandanian'i Hong Kong ny lalànan'ny hamehana mandrara ny saron-tava mandritra ny hetsi-panoherana
Noresahina farany tamin'ny taona 1967, lalàna tamin'ny vanim-potoanan'ny fanjanahantany izay manome fahefana tsy voafetra ny lehiben'ny mpanatanteraka amin'ny fotoanan'ny "hamehana na loza mitatao ho an'ny vahoaka" ny Didy Hitsivolana Mifehy ny Hamehana.
Toherin'ireo mpikatroka aterineto ao Hong Kong ho toy ny fandrahonana ny fahalalahana antserasera ny fandràran'ny fitsarana ny votoaty ‘mahery sehatra’
Manohitra ny fehezan-dalàna vonjimaika navoakan'ny Fitsarana Avo ireo mpikatroka ho an'ny fahalalahana antserasera any Hong Kong, fehezan-dalàna izay mandràra ny olona handefa sy mamerina mandefa izay vaovao mampiroborobo herisetra, tafiditra amin'izany izay alefa ao amin'ny LIHKG sy Telegram.
Toeramponenana ao amin'ny oniversiten'i Hong Kong, nivadika ho sahan'ady tao anatin'ny andro telo nitokonana
Ny 11 Novambra, andro voalohany nanaovana fitokonana faobe, no nanomboka ny fifandonan'ireo mpikatroka mpianatra sy ny polisy, raha iny niezaka ny hametraka sakana an-dalambe mba hanapahana ny fifamoivoizana iny ireo mpianatra
Taratasy ho an'i Shina: Efa ho roa taona izao ilay Uyghur namako, Zainur, no voatazona any amin'ny tobinareo any
Topazan-dry zareo maso ny endrik'izay rehetra miditra ny maoske. Raràn-dry zareo ny fifadiankanina. Nalevinay ny bokinay. Notenenin-dry zareo izahay hanaisotra ny hidin-tranonay. “Tsy haiko hoe nahoana
Mampiseho ny fitsapan-kevitra fa tsy matoky ny polisy ao an-tanàna intsony ny ankamaroan'ny vahoakan'i Hong Kong
Nesorin'ny governemantan'i Hong Kong tamin'ny fomba ofisialy ny volavolan-dalàna mifehy ny fampodiana an-tanindrazana tamin'ny 23 Oktobra, saingy mitohy ny fihetsiketsehana ary adino ny volavolan-dalàna mifehy ny fampodiana satria ny olana momba ny herisetran'ny polisy sy ny fampiasana herisetra no lasa ahiahy lehibe indrindra ao an-tanàna.
Lasa mahery setra kokoa ny hetsi-panoherana ao Hong Kong satria tsy hita ny rariny
"Tsy hangataka aminao aho hizaka herisetra, mangataka anao aho hahatakatra (ny anton')izany."