Tantara misongadina mikasika ny Politika
Tantara mikasika ny Politika
MIVANTANA amin'ny 23 marsa: Santatr'andraikitra Fehikibo sy Lalana an'i Shina—Tsingerina vaovao, sa fiovana tanteraka?
Miraisa dia aminay ao amin'ny YouTube Live amin'ny 23 marsa izao hiatrika fifanakalozan-kevitra amin'ny namolavolan'ireo toe-javatra nitranga vao haingana indray ny fomba fijery ao Shina sy aty amin'ny Ilabolantany Atsimo ankapobeny ny fitantarana momba ny Belt and Road Initiative (BRI) [Santatr'Andraikitra Fehikibo sy Lalana].
Takian'ireo feo ao Pasifika ny hihetsehana maika momba ny toetrandro maneran-tany
Hetsika maromaro manasongadina tantara, fitantarana, ary fampisehoana zavakanto izay manambara ny antson'ireo firenena nosy Pasifika amin'ny hetsika eran-tany mivaingana kokoa hampihenana ny famoahana etona mangeja hafanana
Zeorzia, miady hevitra momba ny lalàna mifehy ny masoivoho vahiny. Lazain'ny mpitsikera fa ohatra iray mampidi-doza
Napetraky ny vondrona parlemantera tamin'ny fomba ofisialy ny volavolan-dalàna, an'ny antoko eo amin'ny fitondrana "Georgian Dream" izay niala ny laharan'ny antoko tamin'ny taona lasa ka namorona ny antoko politikany vaovao antsoina hoe People's Power.
Nanao diabe ny vehivavy nanamarika ny Andron'ny 8 martsa tany Tiorkia, na teo aza ny faneriterena ataon'ny fanjakana
Nandritra izany fotoana izany, nampanantena ny antoko mpanohitra fa ity no diabe farany ataon'ny vehivavy ahitana ny fanatrehan'ny polisy maro sy fandraràna.
Miditra an-tsehatra eo amin'ny tontolo politika ny vehivavy eto Afrika
Ahitana vehivavy 12 izay efa filoham-panjakana na filoha ankehitriny ny kaontinanta Afrikana. Mampiseho ny fiovana goavana izany na dia mbola vitsy an'isa amin'ny politika aza izy ireo.
Ho an'ireo Okrainiàna miaro ny tanindrazany, manan-danja ny teny
Tsy fitaovam-piadiana ihany no andraman'i Rosia amotehana an'i Okraina, na ny fandroahana an-kery ny mponina na ny "famerenana fanabeazana" ny ankizy any amin'ireo faritany bodoiny, fa koa ny teny
Nanova ny tetikadiny hiatrehana ny fanafihan'ireo jihadista i Burkina Faso
Toa manandrana tetikady vaovao i Burkina Faso tamin'ny nanasàny an'i Rosia fa tsy i Frantsa, sy tamin'ny niantsoany mpirotsaka an-tsitrapo hiaro tanindrazana
Fandinihana avy amin'ny am-pielezana Iraniana: Hatezerana amin'ny ‘Iran Lobby’
Niteraka fanakianana teo amin'ny hetsi-panoherana ao Iran ny “Iran Lobby”, teny iray entina ilazana ireo manohana ny Repoblika Islamika sy ny politikany
Ilay fanavakavaham-bolonkoditra tsy ankiteniteny ambadiky ny fihetsiketseham-panoherana ao Però
Lehilahy sy vehivavy miteny Quechua, anisan'izany ireo manao zipo nentim-paharazana, ponchos, satroka, ary sainam-paritany manavaka azy ireo, no nitarika ny fihetsiketsehana mitaky ny fialàn'ny filoha Dina Beluarte.
Mitombo hatrany ny fahatezerana raha namely an'i Torkia ny horohoron-tany roa hafa
Nitondra izany tao amin'ny Twitter ny Tiorka miantso ny fanjakana mba handefa tranolay bebe kokoa sady manontany ihany koa hoe aiza ny vola voaangona hatramin'ny horohorontany farany roa herinandro lasa izay.