Tantara mikasika ny Shina tamin'ny Janoary, 2023
Nahoana no nesorina tao amin'ny rafitra fiantohana ara-pahasalamana any Shina ny fanafody COVID-19 lehibe Paxlovid?
Tsy afaka mahazo ny fanafody COVID-19 "mamonjy aina" naroson'ny OMS ireo Shinoa mahantra taorian'ny nanesorana ny Paxlovid tamin'ny rafitra fiantohana ara-pitsaboana fototra ao Shina. Saingy manohana ny fanapahan-kevitra ireo tia tanindrazana an-jotra.
Nampisy korontana tany amin'ny lanonam-panatanjahantena iraisampirenena ny Hiram-pirenen'i Hong Kong
Nilaza governemantan'i Hong Kong fa ny Hiram-pirenena "Diaben'ny Volantera any Shina" ny valin-karoka tiany ho avoakan'ilay goavan'ny teknolojia fa tsy ilay hiram-panoherana "Voninahitra ho an'i Hong Kong"
Misokatra indray mialoha ny taombaovao manara-bolana ny sisintany ifanoloran'i Hong Kong sy i Shina
Nosoritan'ny fitantarana ofisialin'i Beijing ho “fiantombohana vaovao” ho an'ny fihariana ny fanokafana indray ny sisintany, anisan'ireo nirohotra hiampita ny sisintany tamin'ny fitodiana an-tanety ny ankamaroan'ireo fianakaviana niaritra fisarahana efa ho telo taona noho ny politika zero-COVID.
Hiatrika ny firongatry ny Covid-19 ao anatin'ity ririnina ity, latsaka anaty korontana i Shina
Noho ny tsy fahatombombanan'ny fitsinjaràna ireo angondrakitra momba ny fandehan'ilay viriosy sy ny valanaretina, marobe ireo firenena efa nanambara fameperana vaovao ho an'ireo mpivezivezy avy any amin'ireo faritra lehibe ao Shina
Mampisaraka an'i Pasifika ilay Hetsika “Fehikibo sy Làlana”
Mijery ny fiantraikan'ny fihitarana ara-toekarena sy diplomatikan'i Shina ao Pasifika i Mong Palatino, tonian-dahatsoratry ny Global Voices ao Azia Atsimo-Atsinanana sy Oseania