Tantara mikasika ny Taiwan (ROC)
Nitaraina i Shina dia nesorin'ny mpitarika ao Pasifika tanaty fanambaràna izay rehetra fanononana an'i Taiwan
Niditra an-tsehatra tao amin'ny Pacific Islands Forum (PIF) i Shina, nanizingizina ny hanesoran'ny mpitarika ao Pacifika izay rehetra fanononana an'i Taiwan amin'ny fampitam-baovao nataony momba ny forum.
Fifidianana Taiwan 2024: tsy vitan'ny DPP antoko eo amin'ny fitondràna ny nihazona ny maro an'isa tao amin'ny antenimiera mpanao lalàna taorian'ny nandreseny tamin'ny fifidianana ny ho filoham-pirenena
Tsy vitan'ny Democratic Progressive Party (DPP) antoko eo amin'ny fitondràna ao Taiwan ny nihazona ny maro an'isa tao amin'ny antenimiera mpanao lalàna taorian'ny nandreseny tamin'ny fifidianana ny ho filoham-pirenena. Mety hanangana fiara-mitantana ireo antoko mpanohitra ka hifehy ny antenimiera.
Mampiroborobo ny fizahan-tany ao amin'ny tanànakelin'i Taiwan fitrandrahana harena an-kibon'ny tany niroborobo taloha ny mponina tia saka
Tanàna fitrandrahana arintany efa niroborobo tany Taiwan teo aloha no namelo-tena indray ho toerana mahasarika mpizahatany sy fonenan'ny saka miisa 100 mahery.
Dite miboiboika (Bubble tea): In-dray migoka avy any Taiwan lasa zava-malaza manerantany
"Ilay toetrany faran'izay azo tefena araka izay tiana dia tsy hoe fotsiny mitondra ho amin'ny fahafahampo ho amin'ny famoronana, fa koa ahafahana manome toerana ny fampifanarahana mba hamaliana ireo tsiro tadiavin'ireo mpankafy azy marobe manerantany."
Tandindomin-doza ho ringana ny fahasamihafan'ny fiteny ao Taiwan
Fiarahamonina ahitana fiteny maro i Taiwan amin'ny maha-firenena niaina fanjanahantany nifanesy tamin'ireo vahoaka indizeny samihafa azy, saingy lavitry ny fitovizana amin'ny fahefam-pifandraisana eo amin'ireo fiteny.
‘Taiwanais aho izao’: Mankamamy ny zony mahazo mifidy ireo nifindra avy any Hong Kong nankao amin'ilay Nosy demaokratika
Teratany iray avy any Hong-Kong nifindra monina nankao Taiwan taorian'ilay fihetsiketsehana tamin'ny 2019 tao Shina nanoherana ny fampodiana olona nohelohina, no nanambara hoe "Taiwanais aho izao ary antenaiko fa hihatsara i Taiwan - na dia tsy namafa ny maha-teratany avy anty Hong Kong aza aho"
Any Taiwan, mankalaza ny fahasamihafan'ny lahy sy ny vavy ny hetsika Diabem-pireharehan'ny Pelaka lehibe indrindra any Azia
Ity misy lahatsoratra an-tsary mampiseho ny hetsika Diabem-pireharehan'ny Pelaka faha-21 tao Taiwan, ao Taipei, fantatra ihany koa ho hetsika lehibe indrindra hita maso any Azia ho an'ny vondrom-piarahamonina LGBTQ+, ary nahitana mpandray anjara teo amin'ny 170.000 tamin'ity taona ity.
Tsy misy vaovao ao amin'ny sarintany shinoa 2023. Fa maninona no mahatezitra ireo mpifanila vodirindrina aminy?
Avy any Azia Atsimo Atsinanana no tena misy setriny mahery indrindra noho ny filazan'i Shina fa azy manontolo ny Ranomasin'i Shina Atsimo.
Andian-tantara vaovao amin'ny TV ao Taiwan, mikitika ny resaka saropady momba ny foko, ary tona ao amin'ny Netflix
Andiana tantara iray amin'ny fahitalavitra ao Taiwan mitondra ny lohateny hoe "Port of Lies", nalefa ihany koa ankehitriny tamin'ny Netflix, no niatrika ny iray tamin'ireo olana tena saropady indrindra ao Taiwan amin'izao fotoana izao : ny foko.
Raisin'ny olompirenena Taiwaney an-tanana ny fiarovana ny firenena: Antsafa nifanaovana tamin'i Wen Liu Mpampianatra ambony
Ho an'ny olona ao Taiwan miaina ao anaty fandrahonana ara-miaramila tsy tapaka avy any Shina, niteraka fanontaniana mikasika ny fahavononana sy ny faharetan'ny tafika Taiwaney ny fananiham-bohitra feno ataon'i Rosia an'i Okraina sy ny valintenin'ny Tandrefana momba izany.