Tantara mikasika ny Media sy Fanoratan-gazety
Mpankahala pelaka ve ny 90 isanjaton-dry zareo Keniàna?
Mety ho azo atao ve ny hoe ireo hetsika fitarihana avy amin'ny any ivelany ataon'ny Tandrefana no hitarika ireo firenena afrikàna toa an'i Kenya ho anaty ady ara-kolontsaina izay izy ireo ihany no hany hahafantatra izay ho fiafaràny?
Mialoha ny fifidianana mampiadi-hevitra, noraràn'i Tonizia ny gazety Jeune Afrique noho ny fitsikerana ny filoha
Manoloana ny fisamborana na fandrarana ny ankamaroan'ny kandidà avy amin'ny mpanohitra, sy ny fanivanana ny Jeune Afrique, manambara hoavy manjombona ho an'ny demokrasia ny fifidianana hoavy ao Tonizia.
Ao Tiorkia, tafa an'arabe nandefasana olontsotra iray ho any am-ponja
Ny "faniratsiràna filoha" sy "fandrisihana fifankahalàna ary fifandrafesana eny anivon'ny vahoaka" no roa isan'ireo vesatra mahazatra anenjehan'ny governemanta ao Tiorkia ireo mpitsikera.
Mampanahy mafy ny Fiombonambe Afrikàna ny fiparitahan'ny “nendran-drajako” ao amin'ny tanibe
Araka ny nambaran'ny Fiombonambe Afrikàna, hamehana ara-pahasalamana ny fipongaran'ny nendran-drajako. Efa namoizana aina an-jatony maro tany amina firenena mihoatra ny folo ilay valanaretina.
MIVANTANA amin'ny 27 Aogositra: Fahaiza-mamaky teny torohay sy Media amin'ny fitenim-paritr'i Eoropa
Andao hiaraka aminay amin'ny YouTube Live amin'ny 27 aogositra 2024, hiresahana momba ny fahaiza-mamaky media sy torohay (fampahalalàna) ho an'ireo mpitenim-paritra sasantsasany ao Eoropa.
Fitsipika fakana lisansa media sosialin'i Malayzia: fiarovana anjotra sa sivana?
"Tsy tokony voatery ny fahazoan-dalana sehatra media sosialy, tsirefesimandidy sy hametraka loza miantona amin'ny zo demôkratikantsika hitsikera na hanontany ny governemanta."
Ny fomba fanomezan'i Barbados voninahitra ireo zokiolona feno zato taona ao aminy
Manan-tarazo mankalaza ny zokiolona sy manao azy ireo hahatsapa ho voatokana sy tsy voahilika i Barbados, fa toe-javatra mampanahy ny herisetra atao amin'ny zokiolona.
Hirika tsy fahita firy ho ana Afrikàna iray mpanao gazety izany hoe hanao fandrakofana ny Lalao Ôlaimpika izany, tafa niarahana tamin'i Daniel Dodjagni
Ho an'ny fandraisany anjara voalohany amin'ireo Lalao Ôlaimpika, ilay Tôgôley mpanao gazety, Daniel Dodjagni, no manazava amin'ny Global Voices ny tombony entin'ny fanotronany JO amin'ny asany
Fijerin'ireo Afrikàna mpanao gazety ny Lalao Ôlaimpika Parisy 2024
Any amin'ireo Lalao Ôlaimpika ao Parisy, Afrikàna atleta, nefa koa mpanao gazety izay afaka mitondra fomba fijery hafa momba ireo fifaninanana, no misolo tena ilay tanibe
Aostraliàna mpanao gazety, mitokona mitaky fepetram-piasàna sy karama tsaratsara kokoa
"Tsy maneho ny maha-tomponandraikitra no sady tsy misy fanajàna ny fanasaziana ny olona tena ianteheran'ny orinasa mba hampahomby ny fikatsahany tombontsoa "