Tantara misongadina mikasika ny Fifindràmonina
Tantara mikasika ny Fifindràmonina
Novonjena avy any an-dranomasina, nahoana ireo Rohingya mpitsoa-ponenana no niafara any anaty toby fihazonana ao Sri Lanka?
" ... Tsy niditra tamin'ny fomba tsy ara-dalàna na nanadrana niditra tao Sri Lanka [ry zareo], fa ny olon'ny tafika an-dranomasina namonjy azy ireo avy any anaty sambo iray tra-pahasahiranana no nitondra azy ireo"
Jiosy An-tendrombohitra: Topimaso mikasika ny fiainan'ireo vitsy an'isa ao Azerbaijan
Manome topimaso momba ny fiainan'ireo Jiosy An-tendrombohitra ao Azerbaijan ny fampirantiana any Berlin, vondron’olona avy any Persia izay nanorim-ponenana tao Kaokazy ary nitazona ny mari-panondroana azy ireo mandraka ankehitriny.
Ahoana ny nidiran'ny Lionan'i Atlas an'i Maraoka ho ao amin'ny tantara tamin'ny mondialy 2022
Firenena afrikanina voalohany sady Arabo voalohany ihany koa tafita hiatrika ny manasa-dalana amin'ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany FIFA ny ekipam-pirenen'i Maraoka.
Faritra iray mikorontana, nopotehan'ny governemanta Tajik tao anatin'ny olana ara-toekarena lalina sy fandiampahalemana
Saika niompana amin'ny fampiasana hery sy fanerena ny fihetsiky ny governemanta manoloana ireo hetsipanoherana sy korontana niverimberina tao amin'ny faritra, tsy niraharaha tanteraka izay fifanakalozan-kevitra na fifandeferana.
TikToker malaza Nekoglai, mitantara ny fampijaliana nataon'ny polisy Rosiana azy
Mampiseho ny ohatr'i Nekogiai fa mety ho malaza noho ny fialamboly ho an’ny tanora mpanjohy ny lahatsary sasany misy votoaty ara-politika na ny fanoherana.
Nolavin'i Qatar ny fanonerana ny mpiasa nanangana ireo fototrafitrasan'ny amboara erantany FIFA 2022
Telo herinandro mialoha ny fiadiana ny amboara eran-tany FIFA 2022, nolavin'ny minisitry ny asa ao Qatar ny antson'ireo vondrona mpiaro ny zon'olombelona mba hanonerana ireo mpiasa mpifindra monina nandray anjara tamin'ny fananganana ny kianja sy fotodrafitrasa hafa.
Nanjohy ny fibitabitahan'ny Fiadiana izay ho Tompondaka Erantany 2022 koa ry zareo Bangladeshis, saingy somary nanahirana kely ny tamin'ity taona ity
Raha eo am-piaingàna ny Fiadiana ny ho Tompondaka Erantany FIFA 2022, i Bangladesh kosa tratry ny tazon'ny baolina kitra, toy ny isaky ny efatra taona.
Noroahina avy any Moskoa ho any Moldova misy diam-bono ilay TikToker Nekoglai
“Mihamaro hatrany ny fampiasan'ny polisy Rosiana io fombafomba fanamelohana sy manala-baraka io” mba hanehoana ampahibemaso ny “fanenenana” sy ny fampitahorana ireo mpanao fihetsiketsehana.
Olona pelaka mandositra an'i Azerbaijan: Manirery, saingy afaka
Na dia teo aza ny tsy fisian'ny antoka ho fiarovana azy, dia naka risika i Banu ary nifindra tany Georgia izay nitadiavany asa sy nankafizany ny fahafahany.
Tsy mbola nisy toy izao ny fandraisan'ny Fiombonambe Eorôpeàna ireo Okrainiàna mpitsoaponenana. Dia inona no manaraka?
Midangana be ny sandan'ny ady ho an'i Okraina, saingy ny ankamaroan'ireo Okrainiàna mpitsoaponenana dia mbola maniry hatrany ny hody an-tanindrazana. Mila sainin'ny Fiombonambe Eorôpeàna izay mety hitranga any aoriana ho an'ireo tsy maniry hody.