Tantara misongadina mikasika ny Fanatanjahantena
Tantara mikasika ny Fanatanjahantena
Nihiaka hoe ‘Vladimir Putin’ ireo Tiorka mpankafy baolina kitra nandritra ny lalao nifanandrinana tamin'i Kyiv
Nihirahira hoe "Vladimir Putin" ireo mpakafy baolina kitra Tiorka nandritra ny lalao nifanandrinana tamin’ny ekipa Okrainiana Dynamo Kyiv, ho fanondroana ny fanafihan'i Rosia an'i Okraina amin’izao fotoana izao. Nanaraka izany ny tantara ratsy iraisam-pirenena.
Mankalaza volamena roa tamin'ny fandresena amin'ny atletisma i Trinite & Tobago
Nandrombaka ny volamenta tao Atlanta ilay mpitoraka lefona Keshorn Walcot raha nitondra volamena an-tanindrazana ilay mpihazakazaka fohy ezaka Jereem Richards tamin'ny hazakazaka 400m sokajy lehilahy nandritra ny Fifaninanana Athletisma manerantany anaty trano tany Belgrade, Serbia.
Fijerin'ny Kôlômbiàna ny vokatra ‘Encanto’ an'ny Disney
"Ny lafy tsara amin'ny fijery an'ilay firenena tian'ireo Kôlômbiàna hanànany" no asongadin'ilay sarimihetsika.
Nodimandry teo amin'ny faha-92 taonany i Sonny Ramadhin, mpilalao cricket ary mpanimpy nikoizana tao Antilles
Niaraka tamin'ny fahaizany manokana ny fanipazana baolina cricket, i Ramadhin, sy ilay mpanimpy mpiara-nilalao taminy, Alf Valentine ary ny vely kanonta mafonjan'ireo "Three Ws" malaza — no nanampy tamin'ny nahazoan'ny Antilles ny fandresena voalohany azony nanoloana an'i Angletera
Maneho ny ahiahiny momba ny Volavolan-dalàna mikasika ny Zon'ny mpamorona any Kenya ireo vondrona ara-panatanjahatena manerantany
Nanoratra taratasy ho an'ny governemanta Kenyana ny fiaraha-mientan'ny vondrona ara-panatanjahantena eran-tany maneho ny ahiahiny momba ny volavolan-dalàna fanitsiana ny zon'ny mpamorona, ary nanamarika fa mety hanakana kokoa ny votoaty ara-panatanjahantena izany.
(Fony) Senegaly ambivitry ny handrombaka ny amboaran'i Afrika
Araka ny efa fantatsika dia azon-dry zareo ihany ity amboaran'i Afrika ho an'ny Firenena ity. Fa nanao ahoana ny fotoana fohy nialoha ny lalao famaranana nifanaovany tamin'i Ejipta?
Peng Shuai, ilay kintan'ny tennis sy ny Profesora Gulnar Obul: avy any am-pahababoana dia lasa mpilalao sarimihetsika
Môdely mitovitovy no nasehon'ny zara sy lahatra ho an'ilay kintan'ny tennis sy profesora iray izay nanakiana ny fitantanan'i Shina. Nivadika ho fanohanana an-tery nataon'ny vahoaka ilay kiana.
Hitan'ny kiadin'ny aterineto misy lesoka ny fanafenan-tsoratry ny fampihatra tsy maintsy apetraka amin'ny lalao olaimpika shinoa
Takiana ireo atleta, mpanao gazety ary ireo mpanatrika ny Olaimpika Ririnina any Beijing rehetra mba hampiasa ny fampiharana My2022 kanefa mety ho voasintona antenatenan-dalana ny angon-drakitra nomena tamin'ny alalan'ny fampiharana.
Enda, kirarom-pihazakazahana voalohany avy ao Kenya manantena ny hahomby amin'ny sehatry ny fanatanjahantena manerantany
Enda, izay midika hoe "Andao!" amin'ny teny Swahili, no te-hifanala hazakazaka amin'ny Adidas, Nike, ary Puma hahazo ny volan'ny sangany sy ireo manerantany manao ny hazakazaka ho fialamboliny.
Nohamafisin'ny governemanta amerikana ny fanaovana ankivy ara-diplaomatika ny Lalao Olaimpika Ririnina 2022 any Beijing
Nanambara ny fanaovana ankivy ara-diplaomatika ny Lalao Olaimpika Ririnina 2022 any Beijing ny governemanta amerikana, nilaza ny ahiahiny momba ny “fanitsakitsahana goavana ny zon'olombelona sy ny habibiana mahatsiravina ao Xinjiang.” Firenena maro no mety hanara-dia izany.