Tantara mikasika ny Solovava
Ny vehivavy ao Iran, ny zo nomerika sy ny fahalalahan'ny olombelona
Raha taratry ny olana manerana izao tontolo izao ny paikadin'ny governemanta Iraniàna, dia tsy maintsy tsaroana sy ankalazaina ny herimpo toka-miavaka nananan'ireo vehivavy Iraniana, izay nijoro tsara nanoloana zava-tsarotra
20% amin'ireo mpanjifan'ny fifandraisan-davitra no notsikilovin'ny manampahefana tao Venezoelà
Namoaka tatitra ny orinasa iray goavana an'ny fanjakana. Voaporofo tamin'izany ny fanitsakitsahana fiainana manokana ataon'ny governemantan'i Maduro
Adin'i Pakistana amin'ny asa fanaovan-gazety : Fakàna an-keriny sy fisamborana ireo mpanao gazety malaza
Tsy mitsahatra ny voarahona ireo mpanao gazety ao Pakistana, samborina sy alaina an-keriny noho ireo fanadihadiana ataony mikasika ireo olana saropady. Tato anatin'ny taona vitsivitsy lasa, marobe ireo mpanao gazety malaza sy mpiasa amin'ny haino aman-jery no natao lasibatra sy novonoina.
Ao Azerbaijan, miray hina ny mpanao gazety miteny ny hoe ‘Tsy mila media omena alàlana izahay’
Takian'ilay fanentanana ny hisintonan'ny governemanta ilay lalàna, amin'ny filazàna azy io ho manitsakitsaka ny lalàm-panorenana ao Azerbaijan, ary hanesorana ilay fitakiana ny tsy maintsy hisoratana anaty rejisitry ny media.
Governemanta, mbola mampiasa an-kalalahana ny rindrambaiko Pegasus, na mbola tsy misy voapetraka aza ny resaka fiarovana ny zon'olombelona
Tena hamehana ny tokony hisian'ny fandrindràna ny varotra erantany momba ireo teknôlôjia fanarahamaso, ka ampidirina ao anatiny ny resaka zon'olombelona
Folo volana aty aoriana, tsy mbola misokatra ny fanadihadiana ao El Salvador momba ilay rindrambaiko fitsikilovana “Pegasus”
Fampiasàna ny Pegasus, rindrambaiko fitsikilovan, maneho endrika raho-mitatao goavana ho an'ny fahalalahana maneho hevitra, ny zo nomerika ary fanamby iray goavana amin'ny fanaovana fanadihadiana ny firafitry ny tsy refesimandidy ao Salvador.
Fitsarana misahana Fifidianana ao Brezila, ampifanakaikeziny kokoa ireo vovonana mialoha ny fifidianana ho filoham-pirenena, saingy mbola fanontaniana mipetraka ny momba ny fanolorantenan'ireo orinasa
Tsy misy fanerena anefa ireo fifanarahana rehetra, midika izany fa tsy hisy ny fampiharana raha toa misy vovonana tsy manaja ireo asa voatanisa ao anatin'ilay fifanekem-piarahamiasa.
Fanarahamaso ao Libanona: Olan'ny fiainana manokana
Hita na aiza na aiza ary mazàna atao tsy misy fanarahamaso mifanaraka amin'ny rafitra araka ny lalàna ireo fitsabahana amin'ny fiainana manokan'ny olompirenena ao Libanona.
Mihamafy ny fanelezana vaovao diso amin'ny fahatongavan'ireo mpitsoa-ponenana Afghàna any Makedonia Avaratra
Tonga tao amin'ny seranam-piaramanidina Iraisampirenena Skopje tamin'ny alin'ny 30 aogositra ny vondrona voalohany ahitana olom-pirenena Afgàna miisa 149. Mampandroso ireo mpitsoa-ponenana ny governemanta sy ny firaisamonim-pirenena, manararaotra ny mahazo azy ireo ny nasionalista elatra havanana ka manely fandisoam-baovao sy fankahalana.
Miatrika fanadihadiana noho ny sarimihetsika fohy mampiseho ny herisetra nataon'ny polisy ireo mpanakanto sy mpikatroka Maleziana
"Natao hampanginana ny feontsika sy hanodinana ny tsindry ataon'ny vahoaka amin'ny trangam-pahafatesana any am-ponja tao anatin'ny volana vitsivitsy ireo fandrahonana atao amin'ny mpikatroka mafàna fo, mpanao gazety ary mpanakanto amin'izao fotoana."