Tantara mikasika ny Lanonana
[Bilaogera Arabo 14] Iza moa i Dina El Hawary avy ao amin'ny Meedan?
Dina El Hawary avy amin'ny fikambanana Meedan ny mpandray anjara iray hafa niresaka taminay tany amin'ny Fihaonan'ny Bilaogera Arabo. Nanome topi-maso momba ilay sehatra sy ny fampiofanana ho an'ny tetikasa Checkdesk izay niarahany niasa izy, izay manampy amin'ny fanamorana ny fanaraha-maso iraisana amin'ny tambajotra sosialy.
[Bilaogera Arabo 14] Bukeni Waruzi avy ao amin'ny Witness
Niresaka tamin'i Bukeni Waruzi avy ao amin'ny Witness izahay nandritra ny Fihaonan'ny Bilaogera Arabo (AB14) natao tany Amman, Jordania izay niresaka momba ny andraikiny ao amin'ny AB14 sy nanome toro-hevitra vitsivitsy ho an'ireo mpiofana momba ny fampitam-baovaon'olon-tsotra miasa amin'io sehatra io.
Mbola Tsy Nisoratra Anarana? Ampidiro Ny Bilaoginao Amin'ilay Fifaninanana BilaogyTsara Indrindra (Bobs)
Misokatra indray hoan'ireo bilaogera manoratra amin'ny teny efatra ambinifolo isan-karazany sy sokajy marobe ny fifaninanana fanao isan-taona karakarain'ny Deutsche Welle. Ny fifaninanana - Best of Online Activism (Fikatrohana Antserasera Tsara Indrindra) - dia mikendry hampiroborobo ny fahalalaham-pitenena sy ny fanajana ny zon'Olombelona ao amin'ny Aterineto sy manerana izao tontolo izao.
Akon'ny 21 Febroary 2014 Teto Madagasikara : Tenin-dreny Sa Teny Ibeazana?
Etsy ankilan'izany dia manana ny fanamarihana azy ihany koa ny eto amin'ny serasera, Araka ny fanentanana nataon'ny Rising Voices izay efa nadika ihany koa ho amin'ny teny malagasy, dia nifanentana tamin'ny alalan'ny fampiasana ny diezy roa #imld14 sy #malagasy ny mpiserasera twitter Malagasy vitsivitsy.
[StoryMaker] Vesna Dolinšek Sy Lam Echaml Ao Tonizia
Nandritra ny Lasin'ny StoryMaker notontosaina tamin'ny volana janoary tao Amman, Jordania, nifampireaka tamin'i Vesna Dolinšek avy ao Tonizia izahay, iray amin'ireo mpandrindra ao an-toerana momba ny tetikasa, ary nifampizara ny traikefany momba ny fihaonany tamin'ireo mpandrindra hafa avy amin'ny firenen-kafa
[StoryMaker] Mustafa El-Ani Ao Amin'ny Foiben-gazety Tsy Miankina Kiorda
Nandritra ny Lasin'ny StoryMaker notontosaina tamin'ny volana janoary tao Amman, Jordania, nifampireaka tamin'i Mustafa El-Ani avy amin'ny Independent Media Centre Kurdistan, iray amin'ny mpandritra ao an-toerana momba ny tetikasa, nifampizara ny traikefany momba ny fanarazan-draharaha ny StoryMaker tao Iràka izahay.
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...