Tantara mikasika ny Azia Afovoany sy Kaokazy
Tapa-kevitra hanavao ny seha-pampianarana ny minisitra vaovao ao Mongolia
Hatramin’ny naha minisitra azy tamin’ny volana jolay, dia efa nampiditra fanovana am-polony maro momba ny zava-drehetra manomboka amin’ny garabola ka hatramin’ny fampianarana ambony izy.
Na nisy aza ny fampanantenana dia mbola miatrika tsy fahampian-drano ry zareo Azerbaijaney
Mandritra izany fotoana izany, raha maneho ny ahiahiny ireo manampahaizana, momba ny fahafahan'ny fanjakàna mamaha ny olan'ny tsy fahampian'ny rano, miaritra ny mafy kosa ireo vahoaka ao an-toerana sy ireo mponina eny am-bohitra.
Firaisankinan'i Aziatika Afovoany sambany hita tao amin'ny lalao olaimpikan'i Paris
Asehon'izao haavom-piraisankina izao fa efa naharafitra mari-panondroana iraisana i Aziatika Afovoany ary nifampijery mihoatra noho ny firenena mifanakaiky fotsiny.
Ny fahatsiarovan'ireo diplaomaty amerikàna, manome fitantaràna mafonja momba ny tantaran'i Azia
Lohahevitra miverimberina ao ny fihetsika maharikoriko ataon'i Karimov sy ny tsy fanajàny ireo mpiaramiasa aminy any amin'ny faritra
Naaton'i Azerbaijan ny mariazy mandritra ny COP29
Hotely fampakaram-bady maromaro no nanamafy fa nasaina nandà ny famandrihana mialoha sy mandritra ny COP29 (8-22 novambra) izy ireo ho fandraisana ireo vahiny iraisam-pirenena hoavy ary hisorohana ny fitohanan'ny fifamoivoizana.
Tsy ny filoha ihany no hitondra mandra-maty ao Azerbaijan, fa ny parlemanta koa
Na inona na inona endrika taloha mbola hijanona ao amin'ny parlemanta, na hosoloin'ny zanany, dia tsy hisy akony firy amin'ny hoavin'ny firenena ny vokatry ny latsa-bato parlemantera ho avy
Ny mety sy ny tsy mety amin'ny fampiasam-bola shinoa eo amin'ny sehatry ny fitrandraham-bolamenan'i Tajikistan
Fehezin'i Shina ny maherin'ny 75 isanjaton'ny volamenan'i Tajikistan, mitera-bola goavana ho an'ny governemanta tajik izany fa manimba kosa ny olompirenena sy ny rohivoary.
Dera ivelan'ny firenena fa tsikera anatin'i Mongolia no azon'ny fanamiana olaimpikan'ny firenena
Tsikerain'ny Môngôl ny Michel&Amazonka ho tsy manana fahaiza-mamorona sady kianiny ho mamerina ny fitafy Manchu avy amin'ny vahoaka Manchu, foko vitsy an'isa avy ao Shina.
Nahatsara fisoloantena kokoa ao amin'ny parlemanta ny rafi-pifidianana vaovao ao Mongolia
Sambany teo amin'ny tantaran'ny firenena no nahazo toerana tao amin'ny parlemanta ny antoko politika miisa dimy.
Ny lalamby Shina-Kyrgyzstan-Uzbekistan: ny fanantenana sy ny ahiahy
Hampiditra bebe kokoa an'i Kyrgyzstan amin'ny lalan'ny varotra Aziatika Afovoany ny lalana ary mety hanokatra lalam-pitaterana vaovao mankany amin'ireo firenena Eoropeanina sy any amin'ny Helodrano.