· Marsa, 2013

Tantara mikasika ny Shina tamin'ny Marsa, 2013

Androany Tibet, Rahampitso Hong Kong?

Mafana fo amin'ny tambajotra any Hong Kong no nikarakara fihaonambe hanehoany ny firaisankinany amin'ny Tibetana teo amin'ny fitsingeran'ny faha 54 taonan'ny Andro Firohotana Tibetana tamin'ny Alahady 10 Martsa 2013. Maro amin'ireo mpandray anjara nanatrika ny fihaonana no mihevitra fa tokony handray ny lesona avy amin'i Tibet ny vahoakan'i Hong Kong mba tsy hiverenan'ny tantara any Hong Kong.

29 Marsa 2013

Pôlitikan'ny Zava-mahadomelina Sy Ny Drôna Any Shina

Novonoin'i Shina ny 1 Martsa 2013 teo ny mpanjakan'ny zava-mahadomelina any Myanmar Naw Kham sy ireo mpikambana ao amin'ny tarika misy azy, Hsang Kham avy any Thailand, Yi Lai, ary Zha Xika avy ao Laos, taorian'ny nanamelohana azy ireo ho namono tantsambo Sinoa 13 tany amin'ny onin'i Mekong tamin'ny 2011. Nahatonga resabe eran-tany momba ny heloka nataony, ny pôlitikan'ny zava-mahadomelina any Myanmar ary ny faneken'ny ampahan'i Shina ny fahazoany drôna, ny fahafatesany.

27 Marsa 2013

Shina, Nalefa Mivantana Tamin'ny Fahitalavitra Ny Famonoana Ilay Birmana Lehiben'ny Zava-Mahadomelina

Naw Kham, lehibenà mpivarotra zava-mahadomelina Birmana dia novonoina tamin'ny alàlan'ny tsindrona tany Shina. Nanaitra sy nahatezitra ireo vahoaka tany Myanmar ny nahalalàna fa nalefa mivantana tamin'ny fahitalavitra ny famonoana an'i Naw Kham. Nandiso fanantenana ny sasany kosa ny tsy nanaovan'ny governamanta fifanarahana fanakalozana gadra tamin'ny Shina.

17 Marsa 2013

Atahorana Ny Fisondrotam-bidin'ny Tapakila Noho Ny Nandravàn'i Shina Ny Ministeran'ny Fitaterana An-dalamby Novesaran-trosa

Nanapa-kevitra i Shina ny handrava ny ministeran'ny fitaterana an-dalamby matanjaka saingy bokan-trosa tao aminy mba hampakàrana ny fahafahan'ny governemanta miasa tsara sy hiadiana amin'ny kolikoly, hetsika iray izay ahiahian'ny maso amin'ireo Shinoa mpampiasa ny aterineto ho midika fisondrotam-bidin'ny tapakila atsy aoriana atsy.

14 Marsa 2013