Namoaka taratasy ofisialy momba ny fepetran'ny zon'olombelona any Shina ny Biraon'ny Filakevi-panjakana Shinoa tamin'ny 22 Septambra 2019 mialoha ny faha-70 taonan'ny Repoblika Entim-bahoakan'i Shina. Mitondra ny lohateny hoe “Mikatsaka ny fahasambarana ho an'ny Vahoaka: 70 Taona Nivoaran'ny Zon'olombelona teto Shina” , mamaritra ny zon'olombelona ho toy ny zon'ny vahoaka amin'ny fahasambarana sy ny fampandrosoana ity taratasy ofisialy ity.
Raha nanambara i Shina fa lasa mpandala ny demokrasia marina izy sady tompondakan'ny zon'olombelona dia nitsipaka ilay tatitra ho toy ny “setroka” natao hanafenana ny “fandraketana mahatsiravina” avy amin'i Shina rehefa miresaka momba ny zon'olombelona sy ny fahalalahan'ny asa fanoratan-gazety ny mpanara-maso ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety iraisam-pirenena Reporters Sans Frontières.
Nanohana ny zava-bitany tamin'ny zon'olombelona ny governemanta Shinoa tamin'ny antontanisa marobe momba ny fampandrosoana ara-toekarena sy sosialy, toy ny tarehimarika momba ny fampihenana ny fahantrana.
Between 1978 and 2018 the number of rural poor fell from 770 mln to 16.6 mln calculated against China's #poverty line set in 2010.
Here is the full text of the white paper: Seeking Happiness for People: 70 Years of Progress on #HumanRights in China.https://t.co/WYEB7hyAlG pic.twitter.com/1zBH30w2D9
— China SCIO (@chinascio) September 23, 2019
Latsaka hatramin'ny 16,6 tapitrisa raha 770 tapitrisa teo aloha ny isan'ny mahantra ambanivohitra teo anelanelan'ny taona 1978 sy 2018 raha totaliana mihoatra ny fahantrana tao Shina tamin'ny taona 2010.
Indro ny lahatsoratra feno tamin'ny taratasy ofisialy: Mikatsaka ny Fahasambarana ho an'ny Vahoaka: 70 Taona Nivoaran'ny Zon'olombelona teto Shina https://t.co/WYEB7hyAlG pic.twitter.com/1zBH30w2D9
Nanambara ny taratasy fa voaaro tsara ny zon'ny foko vitsy an'isa ary niampy ny fitanisana ny fitomboan'ny harin-karena faobe tany amin'ny faritra mizaka-tena miisa dimy any Mongolia, Guangxi, Tibet, Ningxia ary Xinjiang ihany koa izany na dia teo aza ny fanakianana mavesatra iraisam-pirenena momba ny fepetran'ny zon'olombelona ao Tibet sy Xinjiang.
Nandrisika ny vondrom-piarahamonina iraisampirenena i Cédric Alviani, lehiben'ny biraon'ny Reporters Sans Frontières any Azia Atsinanana mba tsy ho adalain'ny “lahatsoratra izay mikasa hampifangaro ny fandrosoana amin'ny zon'olombelona araka ny nofaritan'ny Fanambarana Iraisampirenena Momba ny Zon'olombelona, izay anisan'ny nosoniavin'i Shina saingy nohitsakitsahiny isan ‘andro “.
Nanamafy ny Reporters Sans Frontières tao anatin'ny fanambarana an-gazety:
China is the biggest prison in the world for journalists, with at least 115 detainees, who may suffer the same fate as late Nobel Peace Prize laureate Liu Xiaobo and blogger Yang Tongyan, who both died in 2017 due to untreated cancers in detention. The 850 million Chinese internet users are also kept out of the global community by a system of censorship and technological surveillance which limits their ability to inform themselves freely.
I Shina no fonja lehibe indrindra eran'izao tontolo izao ho an'ny mpanao gazety, izay manana gadra farafahakeliny miisa 115 mety hiharan'ny sazy mitovy amin'ilay nahazo ny loka Nobel ho an'ny fandriampahalemana Nobel, Liu Xiaobo sy ilay bilaogera Yang Tongyan, izay samy maty tamin'ny taona 2017 noho ny homamiadana tsy voatsabo tany ampigadrana. Halavirina tsy ho takatry ny vondrom-piarahamonina manerantany ihany koa ny mpisera aterineto Shinoa miisa 850 tapitrisa amin'ny alàlan'ny rafitry ny sivana sy ny fanaraha-maso ara-teknolojia izay mametra ny fahafahan'izy ireo mampahalala vaovao malalaka momba azy.
Mahatsikaritra ireo mpisera Twitter any ivelan'i Shina fa tsy nanisy resaka momba ny fahavoazan'ny maha-olombelona ao amin'ny firenena ny tatitry ny Shinoa:
“The tragedies and miseries that the Chinese people and other minority nationals suffered under the Great Leap Forward movement and the famine, atrocities of Cultural Revolution and the Tiananmen Square massacres are all missing”
China’s white paper… #HRhttps://t.co/3ZTfrxY73R pic.twitter.com/VZR2akyGAm— clara (@clara111) September 25, 2019
“Tsy hita tao avokoa ny voina sy ny fahoriana izay mampijaly ny vahoaka Shinoa sy ireo olom-pirenena vitsy an'isa hafa teo ambanin'ny hetsika Dingan-Dava Irosoana sy ny mosary, ny habibian'ny Revolisiona Kolotoraly sy ny fandripahana tao amin'ny kianjan'i Tiananmen.”
Taratasy ofisialy tany Shina …
Betsaka ny naneso ny propagandy Shinoa niaraka tamin'ny sary-soratra toa ny an'ny filoha Shinoa Xi Jinping tamin'ny Aterineto izay sahala amin'i Winnie ilay bera:
#929globalmarch #929GlobalantitotalitarianismMarch https://t.co/O9jf9zfW98 pic.twitter.com/7TomRPR9L7
— なれはて ☔ 未来を指す羅針盤を手に (@NarehaT) September 23, 2019
Nanakoako tany amin'ny sehatry ny tambajotra sosialy Shinoa araka ny efa nampoizina ilay fanambarana ofisialy, izay tao anaty fanaraha-maso henjana tamin'ny sivana daholo izany rehetra izany. Ireto ambany ireto ny sasany tamin'ireo andiana fanehoan-kevitra tao amin'ny Weibo:
亲身感受:安居乐业,繁荣安定就是世界上最大的民主!
Traikefa sy fihetseham-po manokana: Fahasoavana (fahasalamana), fanambinana ary fahamarinan-toerana no tena demokrasia lehibe indrindra eto an-tany.
中华文明和西方普世价值是两个完全不同的概念,人权定义完全不同,也是从最近的香港暴乱事件中领悟到的,祝愿国家长治久安,越来越先进。
Fotokevitra roa samihafa ny sivilizasiona Shinoa sy ny soatoavina iraisan'ny tandrefana. Samihafa ihany koa ny famaritana ny zon'olombelona. Lesona ho antsika ny korontana ao Hong Kong. Maniry hatrany ity firenena ity mba ho mari-toerana sy handroso.
中国的人权情况中国人才有资格发言!
Ny vahoaka Shinoa ihany no mahafeno fepetra hiresaka momba ny zon'olombelona any Shina.
Nahatonga fanantenana ny fanehoan-kevitra toy izany tao amin'ny tambajotra sosialy Shinoa fa efa mandroso kokoa noho ny hafa amin'izao tontolo izao ny rafitra ara-politika sy ara-toekarena ao Shina, toy ny hita taratra tamin'ilay lahateny niparitaka momba an'i Shina ho “firenena matanjaka” (強國). Sahiran-tsaina tamin'ity “zava-misy mahavelom-panantenana” naorin'ny Antokom-piarahamonina Shinoa ity ilay mpanao sariitatra ara-politika Dipoavatra Mpioko ary nampitaha ny propangandy politika tamin'ny famahanana zava-mahadomelina ny vahoaka:
我和少數人被大部分中國人認為是不可理喻一味“為黑而黑”的人,因我們看到更多真相,而大部分人僅僅看到眼前的繁華大道,中共已自信到發佈70年人權白皮書,幾年前你能想像嗎?越發顯得反共反華的人不倫不類,恐怕不是“吃飽了撐的”,多半是因為沒吃飽才這麼恨中國。這樣的輿論困局如何化解需要好好研究 pic.twitter.com/OgRLy60io6
— 变态辣椒RebelPepper (@remonwangxt) September 25, 2019
Mahita ahy sy ireo mpanohitra vitsy an'isa hafa ho toy ny mpitsikera miteniteny foana maika ny hanaratsy an'i Shina fotsiny ny ankamaroan'ny vahoaka Shinoa. Mahita mihoatra noho ny ankamaroan'ny vahoaka Shinoa izahay. Ny fampandrosoana ara-toekarena no hitan'izy ireo sy ny CCP ankehitriny ka matoky tena izy ireo amin'ny famoahana Taratasy Ofisialy momba ny 70 taonan'ny fampandrosoana momba ny zon'olombelona. Tsy azontsika an-tsaina akory izany vao roa taona lasa izay. Taloha, nilaza i Shina fa ireo izay voky tsara ihany no hanondro ny rantsantanany any amin'i Shina. Araka ny hevitry ny besinimaro (ao Shina) ankehitriny dia ireo olona tsy afaka ihany no tsy tafita amin'ny fiainana ka manana lolompo amin'i Shina. Ahoana no tokony hiresahantsika momba izany fisainana malaza izany?
Nozarain'ireo mpanohitra any ampitan-dranomasina ny fanontanian'i Rebel Pepper – satria eo ambanin'ny sivana hentitra ny sehatry ny fampitam-baovao rehetra any Shina ary sakanan'ny rindrina aroafo lehibe ny vaovao avy any ampitan-dranomasina avy amin'ny ankamaroan'ny vahoaka Shinoa ka saika tsy azo atao ny nanatanteraka adihevitra misokatra momba ny “zava-misy” toy ny nasehon'ny propagandy ofisialy izay naparitaky ny tia tanindrazana maro be an-tserasera.