· Jona, 2013

Tantara mikasika ny Shina tamin'ny Jona, 2013

‘China Open Mic': Mijery Ny Fitombon'ny Dian-Tongotry Ny Fandrosoan'i Shina Ao Afrika

  26 Jona 2013

Ireo fisamborana sy famotsorana mpitrandraka volamena no zary lasa foto-dresaka voalohany ho an'ilay fifaneraserana ao amin'ny Google an'ny China Open Mic izay nokarakarain'ny China Open Mic ny Alahady 16 Jona 2013.China Open Mic (@ChinaOpenMic) dia vohikala misokatra malalaka mikendry ny hampahafantatra sy hanova ny fomba fisain'ny Shinoa rehetra eo anatrehan'ny fivoarana niomerikaao Shina.

Mitampify Ao Hong Kong i Snowden, Mihetsika Ny Diplomasia Eo Amin'ny Shina- Etazonia

  25 Jona 2013

Raha mitampify ao Hong Kong, ilay mpamoaka tsiambaratelo Amerikana Edward Snowden. Maro ireo onjan-kevitra mikasika ny fitiavan-tanindrazana teo amin'ny tontolon'ny bilaogy tao Shina. Maro ireo mpisera anaty aterneto no nahita izany ho fanararaotra ho an'i Beijing mba hahazoa aisa manoloana ny asa fitsikilovana ataon'ny governemanta Amerikana, ary mamaly bontana sy manohitra ny filazàna matetika fa hoe manao fitsikilovana anaty aterneto i Shina.