Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Mey, 2020

Tantara mikasika ny Shina tamin'ny Mey, 2020

Uyghur mpiaro zon'olombelona i Dilnur Reyhan, malahelo fa tsy misy firaisankina ny samy silamo

Nanakona ny mason'ireo olompirenena silamo tsotra ny fankahalàna ireo tandrefana eny anivon'ireo vahoaka silamo, ka tonga hatramin'izao fandàvana ny hino izay rehetra vaovao avy amin'ny media tandrefana izao, na ohatra aza ka ireo toby fanibohana miozolmàna no resahana

Diarin'ny COVID-19 avy ao Wuhan : « Vita ihany ny mivelona amin'ilay valanaretina, fa tsy telina ny fanilikilihana, ny tahotra ary ny fankahalàna. »

Ho takalon'ny fahafahany mivezivezy rehefa vita ny fihibohana dia tsy maintsy mataon'ny olona ny tatitra momba azy ireo amin'ireo solotena isam-bohitra sy amin'ireo manampahefana ara-pahasalamàna.

Noroahin'i Shina ireo Amerikana mpanora-gazety avy amin'ny seha-baovaon'i Etazonia, fandrahonana ny fahalalahan-gazety izany hoy ny mpitily

Nambaran'i Shina ny fandroahana ireo Amerikana mpanoratra amin'ny gazety lehibe, izay tsy iza fa ny New York Times, ny Wall Street Journal ary ny Washington Post

Manamboatra fiarotava i Shina noho ny tinady manerantany nateraky ny COVID-19

Noho ny tinadim-piarotava sy vokatra ara-pitsaboana hafa mitombo izaitsizy manerana ny tany, nanova ireo zotram-panambatambaram-bokatra hahavaly izany tinady izany ny orinasa shinoa.