Tantara misongadina mikasika ny Teknolojia
Tantara mikasika ny Teknolojia
Tatitry ny “Unfreedom Monitor”: Sodàna
Efa anaty tatitra izao ny fikarohana nataon'ny Advox momba ny jadona nomerika ao Sodàna. Vakio ny sombiny, ary trohy ny PDF manontolo.
Lehiben'ny fampanoavana ao Armenia te-hanara-maso ny votoaty anaty aterineto
Tao anaty taratasy iray nalefa ho an'ny governemanta armeniàna tamin'ny 4 Jolay, nolazain'i Artur Davtyan fa tokony ho ambany fanarahamason'ny fanjakana ary ho arindran'ny lalàna ny aterineto
Ny adin-crypto mampanofinofy ao Myanmar
Mbola eo ampanombohan'ny fifanandrinana eo amin'ny famoretana sy ny fanoherana (fifaharana) ny revolisionam-bolankihy ao Myanmar ary hanana anjara toerana lehibe amin'ny revolisiona ara-politikan'i Myanmar
Manamafy ny biraon-tsehatra Shinoa iray fa iharan'ny sivana ny rakitr'ireo mpiseran'ny lohamilina zavona (cloud) ao aminy
Takian'ny lalàna ny biraon-tsehatra zavona hijery sy hanivana ny antontan-taratasin'ireo mpisera amin'ny kapila zavona an-takonana ao Shina.
‘Your’dle : Misy amin'ny fiteny maro erantany izao ny Wordle
Fomba iray mahafinaritra mba hampiasana saina ny Wordle, saingy ny kaody loharano malalaka ao ambadik'ilay lalao maimaimpoana koa dia namboarina mba hiasa amin'ireo fiteny samihafa, anisan'izany ny fiteny indizeny.
Niova fomba fanjifàna hira ny Afrikana ary miditra amin'ireo goavan'ny fandefasankira iraisampirenena aza
Taorian'ny fironana maneran-tany, tsy nitsahatra nijotso ny fivarotana kapila mangilatra (CD) noho ny fizoran'ny mpankafy hira any amin'ny fitrohana ankihy.
Fikisahan'i Nepal hampiasa fitaovam-pitaterana mandeha amin'ny herinaratra
Tonga ao Nepal ary hanomboka hiasa ato ho ato ny telo amin'ireo fiarabe miisa 40 mandeha amin'ny vatoaratra nafaran'ny Sajha Yatayat (orinasa misahana fitateram-bahoaka) avy any Shina
Tsy hanohitra ny fandisoana ny vaovao mandritra ireo fifidianana ho avy ao Kenià ny Twitter sy Facebook
Na dia mitombo haingana aza ireo mpampiasa media sosialy ao Kenià, tohizan'ny Facebook sy ny Twitter ny fanolorana fepetra tsy mahomby sy tsy fampiasana vola betsaka amin'ny ady hanoherana ny fandisoana vaovao mifandraika amin'ireo fifidianana.
Tetikasa fandraketana an-tsarintany amin'ny zanabolana manara-maso ny fahasimbana ao amin'ny vondrom-piarahamonina Okrainiana
Sary zanabolana Sarintanin'i Okraina, ahitana sary avy amin'ny zanabolana, sary tamin'ny drôna, ary sary 3D manaramaso, mandaminana ary manamarina ny fahasimban'i Okraina.
Amrit Sufi, nitondra ny teny Angika tandindonin-doza amin'ny sehatra nomerika
Niantsafain'ny Rising Voices i Amrit Sufi, mpikaroka sady mpampianatra ambony miasa amin'izao fotoana izao amin'ny fandraketana ankihy ny fiteny sy ny kolontsaina am-bava tandindomin-doza any India.