Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Nandrara ilay mpilalao e-sport ao Hong Kong tsy hanao fifaninanana noho ny hiaka nataony momba ny teny filamatra manohana ny demokrasia ny orinasa Amerikana Blizzard mpamokatra lalao

Ireo mpilalao nizara ny sary famantarana “vaovaon” ‘ny Blizzard Entertainment hanehoana ny hatezerany tamin'ny fanapahan-kevitry ny orinasa Amerikana. Nalaina tao amin'ny Twitter.

Nosoratan'i Holmes Chan ary nivoaka voalohany tao amin'ny Hong Kong Free Press (HKFP) tamin'ny 8 Oktobra 2019 ity lahatsoratra manaraka ity. Naverina navoaka ato amin'ny Global Voices araka ny fifanarahana fifampizarana votoaty.

Naato nandritra ny 12 volana ny mpilalao e-sports matihanina monina any Hong Kong iray rehefa nihiaka hoe “Afaho i Hong Kong, ny revolisiona amin'ny fotoanantsika” nandritra ny fandaharana mivantana izy.

Naneho ny fanohanany ny fihetsiketsehana manerana ny tanàndehibe tamin'ny antsafa taorian'ny lalao ny Alahady i Ng Wai-chung, izay fantatra amin'ny anarana hoe “blitzchung” ihany koa. Nanao solomaso sy fitaovana fifohan-drivotra ihany koa izy,  fanamiana fanaovan'ireo mpanao fihetsiketsehana manohana ny demokrasia izay mifanandrina amin'ny polisy misahana ny rotaka.

[VAOVAO FARANY] Niantso ny fanafahana ho an'ny fireneny tamin'ny antsafa nifanaovana taminy taorian'ny lalao ilay mpilalaon'ny Hearthstone ao Hong Kong, blitzchung.

Nilalao tamin'ny fifaninanana ambony tamin'ny lalao Hearthstone i Ng izay nokarakarain'ny orinasa Amerikana Blizzard. Be mpanaraka any Shina tanibe sy manerana an'i Azia ity lalao ity, ary manana ny dimy isanjaton'ny orinasa foiben'ny Blizzard, Activision Blizzard ny orinasan'ny teknolojia Shinoa Tencent.

Nilaza ny Blizzard tamin'ny fanambarana ny Alatsinainy fa nanitsakitsaka ny fitsipiky ny fifaninanana i Ng, indrindra fa ny fehezan-dalàna izay mandrara ny “fanaovana fihetsika izay, araka ny fitsipika manokan'ny Blizzard, mitondra amin'ny fanalam-baraka eo anatrehan'ny daholobe, manohintohina ny ampahany na ny vondron'olona ampahibemaso, na manimba ny endriky ny Blizzard. ”

Tsy nohazavaina izay fihetsik'i Ng nolazaina ho nandika ny fitsipiky ny orinasa.

Ho esorina amin'ny fifaninanana i Ng sady tsy nahazo loka lelavola ary tsy mahazo mifaninana amin'ny fidirana amin'ny fifaninanana e-sports Hearthstone izy mandra-pahatongan'ny 5 Oktobra 2020.

Nanapaka ny fifandraisany tamin'ireo mpanolotra fandaharana mivantana roa na “casters” izay nanatontosa ny antsafa niaraka tamin'i Chung ihany koa ny Blizzard na dia nanondrika ny lohany aza izy ireo mba tsy hidirany amin'ilay heviny. Niasa ho an'ny fikambanana Taiwaney ofisialy Hearthstone izy roa lahy ireo. Nilaza ny orinasa mpamokatra lalao:

We’d like to re-emphasise tournament and player conduct within the Hearthstone e-sports community from both players and talent […] While we stand by one’s right to express individual thoughts and opinions, players and other participants that elect to participate in our esports competitions must abide by the official competition rules.

Antitranterinay indray ny fitsipiky ny fifaninanana sy ny tokony ho fitondrantenan'ireo mpilalao ato amin'ny vondrom-piarahamonina e-sports Hearthstone  avy amin'ny mpilalao sy ny manantalenta […] Na dia manaja ny zon'ny tsirairay haneho ny heviny sy ny eritreriny manokana aza izahay dia tsy maintsy manaraka ny fitsipika ofisialin'ny fifaninanana ny mpilalao sy ny mpandray anjara hafa izay misafidy ny handray anjara amin'ny fifaninanana e-sports.

“Blitzchung” Ng Wai-chung. Sary: Blizzard tao amin'ny HKFP.

Nilaza tamin'ny HKFP i Ng fa tsy hanao fitarainana momba ny fandraràna izy na dia hitany fa tsy rariny aza izany. “Efa  fantatro fa hitranga izany ary manaja ny fanapahan-kevitry ny Blizzard aho,” hoy izy.

Talohan'izay, nanoratra tamin'ny fanambarana iray i Ng fa  “endrika iray hafa amin'ny fandraisana anjara tamin'ny fihetsiketsehana fotsiny izay tiany hisarihana bebe kokoa ny sain'ny olona” ny fanapahan-keviny tamin'ny fiantsoana ny teny faneva. Nampiany hoe,

It could cause me a lot of trouble, even my personal safety in real life. But I think it’s my duty to say something about the issue.

Mety hiteraka olana be amiko izany, eny fa na dia ny fiarovana ny aiko manokana eo amin'ny fiainana andavan'andro aza. Saingy heveriko fa adidiko ny milaza zavatra momba ny raharaha.

Nilaza tamin'ny seha-baovao momba ny lalao IGN ihany koa izy fa tsy nanenenany ny fihetsiny: “Tsy [nanenina] tamin'izay nolazaiko aho … tsy tokony hatahotra an'izany karazana fampihorohoroana fotsy izany aho.”

Mpisera marobe no namoaka fanehoan-kevitra feno fahatezerana tao amin'ny sehatra Blizzard Reddit, nahitana tamin'ny olona sasany nilaza fa hanao ankivy ny lalao ataon'ny orinasa izy ireo. Hoy ny iray nanoratra:

I’ve spent thousands of dollars on Blizz games and subscriptions over the last 20 years and if this is their stance then I’m done with Blizzard.

Nandany dolara an'arivony tamin'ny lalao Blizz sy ny famandrihana nandritra ny 20 taona aho ary tsy hanao Blizzard intsony aho raha izany no toetoetrany.

Ny olona sasany kosa nilaza ny orinasa noho ny zavatra hitany fa fihatsarambelatsihy:

How can this company support LGBT rights and give minority groups representation in their games while in the same breath, deleting an interview with a hearthstone player because he supports the Kong Kong protesters?

Ahoana no ahafahan'ity orinasa ity manohana ny zon'ny LGBT ary maneho ireo vondron'olona vitsy an'isa amin'ny lalao ataon'izy ireo kanefa mandritra izany dia manafoana ny antsafa niaraka tamin'ny mpilalao HearthStone satria manohana ny mpanao fihetsiketsehana ao Kong Kong izy?

Niparitaka tao amin'ny Reddit sy Twitter ny sary famantarana vaovao an'ny orinasa:

Tokony hampiasa an'ity sary famantarana ity ianareo manomboka izao ry Blizzard. Fampisehoana mahamenatra. Nilalao ny lalao Blizzard nanomboka hatramin'ny taona 1995 aho. Tsy hikasika ny lalao ataonareo intsony aho raha mbola tsy mivaha amin'ny fomba miabo izany.

Nifandray tamin'ny Blizzard ny HKFP mba haka fanazavana fanampiny.

Hatramin'ny volana Jona, nahitana fihetsiketsehana goavana tao Hong Kong nanohitra ny volavolan-dalàna ahafahana mandroaka-mampody olona any Shina, izay nanjary lasa fihetsiketsehana nahery setra avy amin'ny mpanohitra indraindray noho ny fitsabahan'i Beijing, ny demokrasia ary ny lazaina ho herisetra ataon'ny polisy.

Nampiasain'ilay mpikatroka mafàna fo nogadraina tao an-toerana antsoina hoe Edward Leung ny teny faneva hoe “Afaho i Hong Kong, ny revolisiona amin'ny fotoantsika”, ary nampiasaina ho toy ny teny filamatra fototra amin'ny hetsika manohana ny demaokrasia amin'izao fotoana izao.

Raha te-hahalala bebe kokoa momba ny fihetsiketsehana any Hong Kong, tsidiho ny pejy fitantarana manokana ato amin'ny Global Voices.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.