Tantara mikasika ny Shina tamin'ny Aogositra, 2015
Siansa-Famisavisana Shinoa Nandrombaka ny Loka Hugo Tantara Foronona Tsara Indrindra
"Eny fa na dia amin'ny siansa-famisavisana mampiahiahy an'i Liu Cixin aza, raha apetraka eo ankilany ny taletany ara-haisoratra, dia mbola misongona lavitra dia lavitra ireo Shinoa mpanoratra siansa-famisavisana indray mihira aminy ny fahaizany maka an-tsary an-tsaina."
515 Andro Taty Aoriana, Mitarika Fanontaniana Maro Ho An'ny Fianakaviana Ny Potipoti-javatra Hita Tamin'ilay Fiaramanidina 370 Tao Shina
Nandrehitra indray ny sorisorin'ireo fianakavian'ny mpandeha tao anatin'ilay fiaramanidina tsy hita Ireo fifanoheran-kevitra tamin'ny fanadihadiana.
Sary Mampiseho Ny Fahasamihafana Ara-kolontsaina Eo Amin'i Hong Kong sy Shina
Vao haingana izay ny vondron'artista miorina ao amin'ny Facebook antsoina hoe Local Studio Hong Kong no namoaka andiam-pandravahana mitondra ny lohateny hoe "Hong Kong tsy i Shina", manamarika ny fahasamihafana eo amin'ny fiarahamonin'i Hong Kong amin'i Shina Tanibe eo amin'ny lafiny politika, sosialy, fiteny ary kolontsaina.
Manararaotra ny lazan'ny kolikolin'i Shina Tanibe ireo mpisoloky hanambakàna ny mponina ao Hong Kong
Niantso an-tariby ny olona ao Hong Kong ireo mpisoloky milaza fa polisy avy ao Shina tanibe, milaza ireo antsoiny ho mpandositra ka olona tadiavina ao Shina tanibe ka tsy maintsy mandoa vola raha te-ho afaka madiodio.
Trondro maty an-drano ireo tao Tianjin ireo raha amin'ny filazana ofisialy, hoy ny fiheveran'ny mpiserasera
Herinandro taorian'ny fipoahana mahatsiravina tao amin'ny trano fitehirizan'entana shimika izay namoizana ain'olona 116 tao Tianjin, Shina, trondro an'arivony maty no nipoitra tamin'ny renirano tsy lavitry ny toerana nisy ny fipoahana.
Apetrak'i Shina ny “Komisariàn'ny polisin'ny fiarovana an'aterineto” any anaty orinasan-tranonkala mba…
Hatramin'izao, ireo mpamatsy votoaty amin'ny aterineto no misahana ny fitantanana ny resaka amin'ny aterineto.
Nahatohina An’i Shina Ny Fividianan’ny Vondron’orinasa Japoney Misahana Media Ny Financial Times
Raha jerena ny tsy fifankahazoana hatry ny ela eo amin'i Shina sy Japana tamin'ny heloka bevava momba ny ady nataon’ny Japoney nandritra ny Ady Lehibe faha-II ary koa ny disadisa ara-jeopolitika tany Azia, maro ny Shinoa no tsy nandray ny vaovao ho tsara.
Manokatra ny Varavarany Amin'Ireo Kilalao An-tsary Avy Any Ivelany Ihany i Shina Nony Farany
Nanala ny fandraràny ny famarotana kilalaon-tsary ihany nony farany i Shina. Fiandohan'ny vanim-potoana vaovaon'ny kilalao an-tsary filalao ao an-trano ve io?