Tantara mikasika ny Fandrahonana-lalàna
Miara-misakafo amin’ny ben’ny tanana ny Kazakhs bilaogera sasany, ny hafa kosa ampidirina am-ponja

Bilaogera Kazakh telo no nogadraina am-ponja nandritra ny 10 andro noho ny fanaovana hetsi-panoherana teo ivelan'ny trano fisakafoanana izay nihaonan'ny ben'ny tanàna tamin'ireo bilaogera tao an-toerana.
Tatitry ny Mpisera: Mifantoka Amin'ny Google Sy Amin'ireo Fampiasa Fandefasana Hafatra Ireo Mpanaramaso Sinoa Mialoha Ny Tsingerintaona Faha-25 -n'ny Tiananmen

Manomboka ao Shina ny tatitra amin'ity herinandro ity izay nanakanan'ny governemanta ny fidirana amin'ireo tolotra Google rehetra misy soramiafina na tsia ampiasain'ny Google ao amin'ny firenena ary nambaran'ny governemanta ny fisian'ny vava-ady iray vaovao anatin'ny adiny hanoherana ireo "tsaho anaty tambajotra": fampiasa fandefasana hafatra amin'ny aterineto
Venezoela: Mpisera Facebook notànana noho ny fandefasana sary “manakorontana”

Roa andro taorian'ny fifidianana filoham-pirenena tany Venezoela, nosamborin'ny manampahefana i Andrés Rondón Sayago izay voalaza fa nanaparitaka ny sarin'ireo biletàm-pifidianana nodorana. Nilaza ny manampahefana fa nalaina nandritra ny fifidianana ny taona 2007 ireo sary ireo fa tsy tamin'io fotoana io. Voampanga ho nizara ny sary tamin'ny "fikasana hanakorontana" i Rondón Sayago.
Rosia: Bilaogera nosamborina noho ny tsaho momba ny pesta aretitratra

Nosamborina ny 3 Desambra 2009 i Ivan Peregorodiev, mpianatra ho mpitsabo sady bilaogera 22 taona, noho ny fanelezana tsaho momba ny pesta aretitratra tao an-tanàndehiben'i Saratov. Niampanga azy ho nanely vaovao tsy marina mifandraika amin'ny asa fampihorohoroana ny manampahefana.
Iran: Bilaogera noterena hibaboka manoloana ny fahitalavitra

Noterena hibaboka manoloana ny fahitalavitra ilay bilaogera Iraniana Hossein Ronaghi Malki araka ny filazan'ny reniny. Tany Teheran izy no manefa ny saziny 15 taona an-tranomaizina .
Iran: 20 taona an-tranomaizina, sazy tsy mbola fahita hatrizay ho an'ny bilaogera

(Marihina fa tamin'ny volana Jona 2011 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Manolotra fotoana fohy ho fakana aina ny fanoratana momba ireo bilaogera Iraniana. Tsy misy fiafaràny ny tantara mampalahelo ary toa...
Iran: Nogadraina 14 taona an-tranomaizina ilay bilaogera

Nitatitra ny bilaogera marobe fa voasazy higadra 14 taona an-tranomaizina i Mehdi Khazali, bilaogera sady mpanao matoandahatsoratra. Voasazy amin'ny kapoka karavasy in-90 ihany koa ity bilaogera ity. Azony atao ny mampakatra fitsarana amin'ity sazy ity.