Tantara misongadina mikasika ny Toekarena sy Fandraharahàna
Tantara mikasika ny Toekarena sy Fandraharahàna
Handositra, sa Tsia? Izany izao no fanontaniana ao Sri Lanka
Ankehitriny ry zareo SriLankey dia miatrika ny fotoana manjombona indrindra amin'ny resaka fahasahiranana ara-bola mahazo ny rehetra, maniry ny handao ny fireneny ny ampahefatry ny vahoaka, indrindra fa ny tanora sy ireo nahita fianarana
Afa-mamaha ny krizin'ny angovo ao Eoropa ve ny firenena Afrikana miteny paortiogey?
Miezaka ny mitady famatsiana etona hafa ankoatra an'i Rosia ny firenena Tandrefana. Misy ireo mpamakafaka no mino fa mety ho fiandry tsara mahavelona ireo firenena Afrikana miteny Paotiogey.
Diaspora avy ao Bosnia & Herzegovina : Manjavozavo ny fijery ny tokantrano sy ny tanindrazana
Navoitran'ny fanadihadian'ny Balkan Diskurs fa mifanohitra ny fomba fijerin'ireo Bosniaka miaina any ivelany, miainga avy amin'ny sary lafatra anehoana ireo endrika miabon'ny fireneny fahiny, ary tonga hatramin'ny hadisoam-panantenana miverimberina manoloana ny zavamisy, tsy fivoaran'ny pôlitika sy toekarena.
Fikisahan'i Nepal hampiasa fitaovam-pitaterana mandeha amin'ny herinaratra
Tonga ao Nepal ary hanomboka hiasa ato ho ato ny telo amin'ireo fiarabe miisa 40 mandeha amin'ny vatoaratra nafaran'ny Sajha Yatayat (orinasa misahana fitateram-bahoaka) avy any Shina
Tompon'andraikitra fast food japoney iray voaroaka rehefa niresaka “fampiankinan-doha ny tanoravavy amin'ny (zava-mahadomelina) meth”
Ny fanamarihan'(i) Ito dia ohatra iray monja amin'ny olana lalina fankahalana vehivavy mianjady amin'ny fiarahamonina Japoney.
Ao Makedonia Avaratra, misy tanora sasantsasany nahavita nanangana orinasa mahomby nandritra ny valanaretina Covid-19
Tanora telo mpandraharaha avy ao Bitola, tanàna iray any atsimon'ny firenena, dia manome ohatra momba amin'ireo tanora niatrika ilay krizy COVID-19 tamin'ny fomba feno famoronana sy miabo.
Fijerin'ny olona ao Azia Afovoany: Mandeha an-tany tsy fantany ny ONG kirkizy iray mpisava làlana
Raha miombona tantara sy sisintany ny firenena dimy ao Azia Afovoany, zara raha mihevitra kosa izy ireo hoe miaina anaty faritra iray. Misy ONG kirkizy iray manandrana mandalina azy ireo ho toy ny vondrona iray tsy mivaky.
Tohin'ny fananiham-bohitra tao Okraina, mamaky ady amin'ireo olompireneny i Rosia
Manoloana ireo sazy mavaivay sy ny fanenjehana ara-tsôsialy, vao mainka mampidi-doza ny maneho hevitra manohitra ny fitantaràna ofisialy an'ny Governemanta.
Atolotry ny Global Voices Advox ho anao ny tetikasany vaovao “The Unfreedom Monitor”
Ny The Unfreedom Monitor dia fisantarana andraikitra mamakafaka ny fitomboan-trangan-tsirefesimandidy mitambajotra na ankihy. Avoitran'ny tatitra tany am-piandohana ireo kasinga mitarika anakany amin'ny fielezany.
Nialàn'i Tobago ny fomba fitafin'ny “mpanjanaka” ary andrasany hanenjika ny fahataràny kosa ny nosy rahavaviny Trinidad
“Ny fandàvana tsy handray olona noho ny antony ara-pitafiana dia fomban'ny mpanavakavaka, mpanasokajy olona, ary mbola mifàka amin'ny fanjanahantany sy ny fanavakavahana.”