Tantara mikasika ny Shina tamin'ny Avrily, 2016
Netizen Report: Ilay Fotoana Nahafatesan'ny Aterineto Tao Ekoadaoro
Tapaka vetivety tsy amin'ny antony ny aterineto tao Ekoadaoro, vidina lafo ny fanevatevana ny filohan'i Tanzania, mampiahiahy ny fametrahana ny Twitter tao Shina, sy ny sisa maro hafa.
Ny Herinandro Tato Amin'ny Global Voices Podcast: Laharam-pahamehana, Misy Vonona?
Mitondra anao any Shina, Meksika, Jamaika, Makedonia sy Oganda izahay amin'ity herinandro ity, miresaka tamin'i Prudence Nyamishana izahay mikasika ny antony mahatonga ny Ogandey tezitra amin'ny laharam-pahamehan'ny governemanta.
Angamba Tsy Tokony Hihomehy An'ilay Lahatsary Malaza An'ilay Zazalahy Kely Shinoa Niaro Ny Renibeny Ianao
" Raha ny fianakavianareo no halaim-baraka sy vonoina, dia tsy hitsangana ve ianareo hamonjy azy? Tsy haiko izay mampihomehy anareo eo."
#TwitterisDead (Maty Ny Twitter): Izany No Ahian'ireo Mpanohitra Taorian'ny Nandraisan'ilay Orinasa Ny Manamboninahitra Fahiny Tao Amin'ny Tafika Shinoa Hiasa Ao
"Loza henjana mitatao amin'ireo Shinoa mitolona hisian'ny fahalalahana maneho hevitra io."
Ny Herinandro Tato Amin'ny Global Voices Podcast: Panama Papers Ahoana?
Ato amin'ity fizarana ity isika mahita fa mihamafana ny politika ao Pôlônina, mitdy fankatoavana ny Afro-Chileana, ary miasa mafy ireo Shinoa mpiasan'ny fanampenambava hanaisotra ny resaka Panama Papers -- eny fa na dia avy amin'ny imailaka aza.
Ao Shina, Voalaza Fa Manampy Hampanginana Ny Resaka Panama ilay Horonantsarim-Fanafihana
Mpikambana telo amin'ny birao politikan'i Shina no nanana havana voarohirohy ao anatin'ireo Taratasin'ì Panama, saingy tsy niloa-bava momba ilay ampamoaka ny haino aman-jerim-pirenena.
Te-Hahatratra Ny Tsenan'Aterineto Shinoa? Fotoana Izao Hanoratana Ny Anaran-Tsehatrao Ao Shina.
Raha vao navoaka ny fitsipika vaovao, dia tsy maintsy hanoratra ny anaran-tsehatry ny tranonkalany miaraka amin'ny mpamatsy DNS ao an-toerana ny orinasa vahiny mpitari-dalana, ao anatin'izany ny Microsoft sy ny Apple, mba hitoetra ho azo idirana ao Shina.
Shinoa Mpanao Sivana Mamafa Ny Porofo #PanamaPapers Ao Amin'ny Vohikala
Ny antontan-taratasy niparitaka dia ahitana orinasa an-dranomasina manana fifandraisana amin'ny fianakavian'ny mpitondra ambony ao Shina, Xi Jinping, izay efa nivoady ny hiady amin'ny "miaramilan' ny kolikoly". Ny ankamaroan'ny Shinoa kosa dia tsy naheno akory ny momba izany.