Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Septambra, 2014

Tantara mikasika ny Shina tamin'ny Septambra, 2014

30 Septambra 2014

Elo Maroloko No Nandravahan'ireo Mpanao Fihetsiketsehana Manohana Ny Demaokrasia Ny Tao Afovoan'i Hong Kong

Azo ampiasaina ho fitaovana hitolomana ho amin'ny demaokrasia ve ny elo? Eny indrindra. Ao Hong Kong, mitaky fifidianana madio demaokratika ireo mpanao fihetsiketsehana milamina mampiasa elo mba hiarovan'izy ireo tena amin'ny tifitra sakay sy ny baomba mandatsa-dranomaso; ary mba tsy ho lena rehefa mitifitra tafondron-drano ny polisy.

Fifandonana Henjana Teo Amin'ny Polisin'i Hong Kong Sy Ireo Mpianatra Nanao Hetsi-panoherana Am-pilaminana

Anjatony ireo mpianatra mpanao hetsi-panoherana no nanangana ny tànany hanehoany fa tsy mitondra fitaovam-piadiana ry zareo ary nanao ampinga olombelona mba hisakanana ireo polisy mpandrava korontana. Saingy nasian'ny polisy tamin'ny tsifotra tsiperifery izy ireo ary ampolony no voasambotra.

14 Septambra 2014

Vondrom-Pianatra Oniversite ao Kyoto Te-Hahita an'i Japan, Shina ary Korea ho ‘Happy’ [Faly-Miadana]

Ratsiratsy hatrany noho ny fifandirana ara-tantara sy adin-tany matetika ny fifandraisana eo amin'ireo firenena telo ireo. Misy ny vondrom-pianatra nanatontosa ny lahatsary 'Happy' ho fampiroboroboana ny hafatry ny finamanana.

04 Septambra 2014

Havela Hifidy i Hong Kong — Raha Voasivana Ireo Kandidà

"Manainga ireo olom-pirenena ao Hong Kong rehetra izahay, mba hitsangana ary hiteny. Tsy midika akory hoe tsy misy isika raha tsy mihaino antsika izy ireo."

03 Septambra 2014

Hong-Kong: Misisika i Shina Hoe Mpirotsaka Mpomba an'i Beijing No Tokony Hisy Mba Hisian'ny Filaminan'ny Firenena

Nanambara i Li Fei, Kaomitin'ny Lalàna Fototr'i Shina, hoe "tokony ho olona tia tanindrazana ny olona misahana an'i Hong Kong", raha tsy izany, mety ho lasa antoko pôlitika iray tsy miankina mihitsy ny tanàna.

02 Septambra 2014

Ny Fampianarana No ‘Làlana Ho An'ny Fanovàna’ An'i Syria

Mikasa ny hanangana sekoly miisa 15 any amin'ny faritra tsy fehezin'ny fanjakàna ny Chance4Change, mba hiantohana ny dingam-pivoaran'ny fampianarana sy hitazonana azy ireo hahaleo tena lalandava.