Tantara mikasika ny Taridàlana
Fiatrehana ny fipelipelehan'ny efijery fikirana lahatsoratra ao amin'ny WordPress
Mety hanadala anao ity "bug" ity, fantaro ny fandehany dia mety tsy ho adala be intsony ianao !
Ny kanto amin'ny fifampitohizan-drohy ao anatin'ny tantara Global Voices iray
Tanjona roa no kendren'ny fifampitohizan-drohy: manome antoka ny fangaraharana sy ny fahazoan'ireo mpamaky hahatoky antsika, fa manampy ihany koa amin'ny fampidirana ny toe-javatra mahakasika ny lohahevitra iray na hampitodika ny mpamaky any amin'ny loharano maro hafa. Toy izany no tokony hanaovana ny fifampitohizan-drohy.
Fihaonana Voalohany Indrindra Ho an'ny GV Tiorka
Nivoatra ny Lingua Tiorka. Nila ezaka sy fotoana betsaka ny fananganana azy tany rehetra tany...Tsy maintsy lazaiko fa tena hatsaram-panahy avy amin'i ElGohary ny fanampiany nandritra ireo dingana ireo satria marobe ireo fanontaniana napetrako taminy.
Teny Faneva (taglines): Inona izy ireo ary ahoana no ampiasana azy
Tsy voatery asiana ao amin'ny tantara GV ny tenimarika, fa ny teny kapoka tsara iray. dia afaka manamafy ny firotsahana ao anaty tantara iray amin'ny fisintonana ny fahalianan'ny mpamaky.
Ireo Taridàlana Ho an'ny Fanaovana Tatitra Voalohany Indrindra
Amin'ny ankapobeny ny Global Voices dia vohikala iray faharoa amin'ny fizaràna tatitra fanadihadiana - fidiantsika ireo loharano izay mandefa mivantana amin'ny aterineto ary tanisaintsika ireo fanadihadiana navoakan'ireo media hafa. Saingy matetika, isika no manao ny tatitra voalohany.
[Karajia mivantana] Dingana manaraka ho an'ny tari-dalana fibilaogina miabo, 2 Desambra
Miaraha aminay azafady amin'ny 2 Desambra 2010 mba hanao karajia momba ny "tetikasa sy tari-dalana antserasera momba ny fibilaogina tsara. Hanomboka amin'ny 11 atoandro ny karajia, ary raisinay am-pifaliana avokoa izay mpandray anjara vaovao, ary koa ireo namana izay efa nandray anjara tamin'ny resadresaka manerantany.
Famoahana Ireo Fitaovana video4change Vaovao
Mpikatroka Lahatsary na olompirenena mpanao gazety mikaroka tahirin-kevitra momba izay mitranga manodidina anao ve ianao? Ity lahatsoratra ity dia manangona ireo loharano malalaka, vaovao ary ireo torolàlana mikasika ny lahatsary fanaovana fanadihadiana - ireo rehetra ireo dia azo alaina amin'ny fiteny Anglisy, Arabo ary Birmana avokoa.
[Lahatsary] Ny Fomba Fampiasana Ny Rindrambaiko StoryMaker
namoaka lahatsary Youtube mampiseho torolàlana maneho miandalana ny fomba fampiasàna ny rindrambaiko StoryMaker ny Small World News, , izay fitaovana natao ho an'ireo mpanao gazety hamoronany ireo tatitrany manokana mikasika ny vaovao amin'ny alalan'ny fampiasana ny finday Android, amin'ny fomba azo antoka sy voaaro tanteraka.
Witness: Mianatra Mampiàsa Lahatsary Ho An'ny Fiovàna
Mandrisika ny olona hamadika ireo trangana fanararaotana manokana niainany ho fitaovana matanjaka ho an'ny rariny ny WITNESS amin'ny alalan'ny fampiasàna lahatsary vokarin'ny mpampiasa. Nanofana olon-tsotra avy any amin'ireo firenena mahery ny 80 izy amin'ny alalan'ny atrikasa fifanampiana. Nanomboka ny fanofanany feno sy takatry ny rehetra mikasika ny fisoloana vava ny zon'olombelona ny WITNESS avy amin'ny alalan'ny lahatsary, izay azonao sintonina maimaim-poana.mba hanitarany ny fiantraikan'ny fanofanana ataony..
Torolàlana Asongadina: Torolàlana Momba ny Fanaovan-gazety Firaketana – Fomba Vaovao Fitantaràna
Ny fanaovan-gazety tarihan'ny rakitra dia dingan'ny fanaovan-gazety mifototra amin'ny fandinihana sy ny fisafidianana miaraka amina fitaovana manana loharano misokatra - na 'open source', fitambaran-drakitra midadasika, izay afaka tsidihana malalaka ao anaty aterineto. Ny Novambra lasa teo, tanatina atrikasa naharitra 48 ora tany amin'ny Fetiben'ny Mozilla tany Londona, nanomboka niasa ho amin'ilay torolàlana voalohan'ny Fanaovan-gazety Firaketana ireo mpanao gazety sy Mpandrafitra rindram-baiko marobe. Natomboka tamin'ny fomba ara-dalàna io Torolàlana io ny 28 Aprily 2012, tany amin'ny Fetibe Iraisam-pirenen'ny Fanaovan-gazety tany Perugia (afaka alaina maimaim-poana ao anaty aterineto).