Tantara mikasika ny Siansa
Miezaka ny miarina avy amin'ny fiparitahan'ny solika akaikin'ny renivohitr'i Filipina ireo mponina amoron-dranomasina
"Toy ny afo amin'ny alantsika ny fiparitahan'ny solika misy poizina any an-dranomasina, ka mametraka lalam-pandringanana izay mitondra voka-dratsy am-polony taona maro."
Raha miomana ny hizàka ny dona mivantana i Jamaika, manomboka kosa ireo ezaka fanampiana an'ireo nosy ravan'ny rivodoza Beryl
Mety hahavariana an'ireo manampahaizana manokana amin'ny toetrandro ny maha-miavaka an'i Beryl, fa ireo singa mahatonga an'i Beryl hisongadina kosa dia atahoran'ireo voa matetika ho lasa fenitra
Trinité-sy-Tobago : afaka ampiasaina hamatsiana ny fiarovana ala honko ve ny fampiasàna ny karbôna manga?
Na mitàna toerana goavana aza, mihamanjavona ireny rafi-piainana ireny noho ny firoboroboana vokatr'ireo hetsika tsy voalanjalanja
“Poisson-chat” faran'izay mpiremby mandoza avy any Amerika Atsimo, nikisaka any amin'ny ranon'i Nepal
Mety ho loza goavambe mitatao ho an'ny trondro zanatany any amin'ireo renirano any atsinanan''i Népal ireo "poisson-chat" misoratsoratra be dia be avy any amin'ny Reniranon'i Madeira any Amerika Atsimo,
Miverina any amin'ny toeram-ponenany voajanahary manan-tantara ao Kazakhstan ny soavaly haolo
Lasa dingana lehibe amin'ny ezaka fiarovana ny bibidia maneran-tany ity hetsika ity mba hanavotana ny soavalin'i Przewalski tsy ho lany tamingana sy hamerenana azy ireo amin'ny toeram-ponenany voajanahary.
Ametraham-padintseranana indray ny takela-masoandro Shinoa ho fampandrosoan'i Brezila ny indostriany
Nandritra ny taona maro i Brezil niankina amin'ny takela-masoandro shinoa hanome angovo mifindra mankany amin'ny angovo maitso. Fa noho ny fametrahana indray ny fandintseranana amin'ny fanafarana fampitaovana angovon'ny masoandro, dia mety ho voahozongozona izany sehatrasa izany.
Jamaika, namiratra nandritra ny Loka Asa Fanaovana Gazety ho an'ny Rariny ara-Toetrandro tao Karaiba ny Repoblika Dôminikàna sy Goiàna
"Fo mampitempo izany rehetra izany, ny olona. Mifamatotra amin'ny zo maha-olona ny rariny ara-toetrandro"
Amin'ny Andron'ny Fahalalahan-gazety manerantany, ny planeta sy i Palestina no hitan'ny radaran'i Karaiba
Mijanona ao amin'ny lohahevitry ny krizin'ny toetrandro ny fanambaràna isam-paritra sasany raha mifantoka amin'ny krizin'ny tehezan-tanin'i Gazà kosa ny an'ny hafa.
Mahatonga ny valan'aretina koha-davareny ny fisalasalana hanao vakisiny any Makedonia Avaratra
. Mitaky ny hanambarana ny fisian'ny areti-mifindra koha-davareny any Makedonia Avaratra ireo manam-pahaizana momba ny fitsaboana, satria, tamin'ny 8 febroary, nandrakitra tranga 28 vaovao ny Ivon-toerana momba ny Fahasalamam-bahoaka, izay zazakely tsy vita vaksiny ny ankamaroany.
Ampikarohana ny koala sarobidin'i Aostralia
Noho i Aostralia mety hiatrika doro tanety mandravarava amin'ity fahavaratra ity toy ny tamin'ny taona 2019–2020, tandindonin-doza amin'ny lafiny maro hafa koa ny iray amin'ireo biby tiany indrindra, tsy inona izany fa ny koala.