Tantara mikasika ny Fiainana Manokana
Misy fampiasa ao amin'ny Facebook ampiasain'ny Junta ao Thailand hanangonana adiresy imailaka

Asehon'ny ampamoaka iray vaovao hoe hatraiza ny fahavononan'ny governemanta Thai hanova ny aterineto — tafiditra amin'izany ny media sosialy — mba ho amin'ny ilàny azy.
Shina: Mampiahiahy ny mpisera an-tserasera ny fikasan'ny governemanta hanitatra ny fanaraha-maso amin'ny Aterineto

Nampiahiahy ny mpisera Shinoa amin'ny fanombohan'ny onjam-panentanana vaovao hanenjehana ny mpanohitra an-tserasera ny andian-dahatsoratra maromaro navoakan'ny zoro fampahalalam-baovaom-panjakana izay manamarina ny fisoratana ny tena anarana an-tserasera sy ny famoretana ny heloka an-tserasera.
Misioka ny fitsipiky ny fahalalahan'ny Aterineto

Nandrisika ny mpamaky mba hisioka ny Fanambarana momba ny Fahalalahan'ny Aterineto.i Mera Szendro Bok ho fampiroboroboana ny fitsipiky ny aterineto misokatra,
The Public Voice: Fanamby manerantany ny zon'ny fiainana manokana

Andro manan-danja ho an'ny fiarahamonim-pirenena manerantany miaro ny tsiambaratelon'ny fiainana manokana sy ny fahalalaham-pitenenana ny 22 Oktobra 2012 . Nampiantrano fihaonambe iraisam-pirenena tao Punta del Este, Orogoay, ny fiaraha-mientan'ny The Public Voice (Feon'ny Vahoaka) ary nisy ny fanasana tamin'ny fandraisana anjara tamin'ny resadresaka sy ny fifaneraserana tamin'ireo mpanentana.