Tantara mikasika ny Shina tamin'ny Mey, 2016
Misavoana Ambony ny Fisandratan'i Papi Jiang Olomalazan'ny Aterineto Shinoa (Vao Avy Tratran'ny Sivana)
Andro vitsy monja taorian'ny nanesoran'ny mpanao sivana aterineto ny clip nataony noho ny fiteny adala, dia nahavarotra zoro fanaovana dokambarotra 3,5 tapitrisa dolara amerikana izy teo amin'ny famoahany lahatsary isan-kerinandro.
Miatrika Ny Fandriky Ny Trosa Anaty Tranonkalam-pifandraisana ireo Shinoa Mpianatra
Nilaza ny People’s Daily, izay tantanan'ny governemanta, fa tokony "hitarika ny fisainan'ny [zanany], hikolokolo ny fahalalàny ara-bola ary hampitombo ny fahatsapàny ny loza mety hitranga" ny ray aman-dreny
Tahirin-Tsary Bobaka Ahitana an'i Shina sy i Japan Nandritra ny Ady Lehibe Faharoa
Kaonty Twitter roa manolotra ireo jeritodika ilaina indrindra raha miresaka ady lehibe faharoa tany Shina sy ny ambin'i Azia.
Taorian'ny Fidarohana Nahafaty Tanora Iray, Mitaky Lalàna Henjana Kokoa Ny Shinoa Mba Hampitsaharana Ny Fampijaliana
"Tsy vitantsika ny hanaisotra tsirairay ireo ahidratsy. Fampijaliana any an-tsekoly, ny herisetran-javoto, ireny karazana fitondrantena tsy mivoatra rehetra ireny dia maka ny fàkany daholo avy any anatin'ny fiarahamonina sy ny ankohonana."
Hetsipanoherana Sy Sorabaventy No Miandry ilay Shinoa Manampahefana Ambony Mitsidika An'i Hong Kong
Na teo aza io fampanantenana fiahiana sy fitiavana io, manamboninahitra an'arivony avy amin'ny polisy no nanaraka ny fitsidihan'i Zhang Dejiang, polisy izay nivoady handray izay "fepetra hentitra" manoloana ireo mpanao hetsi-panoherana.
Noroahan'ny Vondrona Mpanenjika Hosoka Ny Alibaba, Masiaka ireo Shinoa Mpanjifa
"Mipetraha ao an-trano. Raha avo lenta sady mora ilay hosoka azonao, hanohana anao ny vahoaka Shinoa ary tsy misy na iza na iza hanilika anao."
Mandrava Fandefasana Lahatsary An-Tserasera Mivantana Ireo Shinoa Mpanao Sivana, Anisan'izany Ny Fihinanana Akondro Amin'ny Fomba Erotika

Koa satria tsy ho azo atao ny mijery mialoha ny votoaty alefa mivantana, dia nanangana sampan'ny polisy ao amin'ireo biraon'ny sehatra lehibe fandefasana fandaharana mivantana an-tserasera ny biraon'ny filaminam-bahoakan'i Shina hanara-maso ireo votoaty mandeha mivantana.
Mitandrina Fatratra Ireo Avy Ao Taiwan Taorian'ny Naninjiran'i Shina Ny Tànany Hatrany Kenya
"Mampivarahontsana ity tranga ity...... Mety horoahana hiverina any Shina izahay rehefa miteny ny governemanta Shinoa fa hoe nohitsakitsahanay ny lalàna Shinoa (na dia tsy nisy lalàna nohitsakitsahanay akory aza tany amin'ilay firenena nalehanay)."
Mitsikera Mafy An'i Shina Noho ny Fanjavonan'ireo Mpivaro-boky ao Hong Kong Ny Vondrona Eoropeana
"Ahitana fanitsakitsahana ny zon'olombelona sy ny fahalalahana fototra ny raharaha fanjavonan'ireo mpivaro-boky tao Hong Kong ary miteraka fanahiana goavana amin'ny tany tan-dalàna eo ambanin'ny rafitra "firenena iray, rafitra roa..."
Ho Fiarovana, Ilain'ny Mpanao Gazety Shinoa Ny Lalàna Mifehy Ny Fanaovana Gazety
"Rehefa tsy misy ny lalàna, raisintsika ny andraikitra sady afaka mifehy [ny haino aman-jery] araka izay itiavantsika azy isika."