Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Marsa, 2021

Tantara mikasika ny Shina tamin'ny Marsa, 2021

Taorian'ny fandraràna mananasy, fikan'antitra no iantsoan'i Taiwan an'ilay tolotra fampiasambola vaovao nataon'i Beinjing ho an'ny fambolena

Herinandro maro taorian'ny nandraràny ny mananasy, manolotra fandrisihana ara-bola ho an'ireo mpamboly sy mpitrandraka ala ao Taiwan indray izao i Beijing mba ho fampiroboroboana ny fizahantany mifototra amin'ny tontolo ambanivohitra sy ny fambolena ireo voly natao ho an'ny tsena avo lenta any Shina.

Tetikasa seranantsambo vaovao tarihan'i Shina ao Pero, miatrika ny fanoheran'ny mponina sy ireo mpiaro tontolo iainana any an-toerana

“Teo amin'ny tantaran'i Pero, nipetraka teny amin'izay rehetra tiany ireo fampiasàmbola, rehefa hoe mitondra vola, ary ny fanjakana sy ny governemanta no mamela izany hitranga”

Mpikatroka miaina an-tsesitany, manomboka ny ‘Satan'i Honk Kong 2021,’ vina iray ho an'ny hoavin'ireo hetsika mpandàla ny demaokrasia

"Ireo teratany avy ao Hong Kong, na ireo monina any ivelany na ireo ao anatiny, dia afaka tsy miraharaha izy endrika tantara soratan'ny fanjakana, ary ho solon'izany dia afaka mandray an-tànana hanoratra ny tantaran-dry zareo manokana."

Voasambotra tamin'ny fomba ofisialy noho ny resaka fitsikilovana tany Shina ilay mpanao gazety Shinoa-Aostraliana Cheng Lei

Nandà ny filazan'i Shina ny Minisitry ny Raharaham-bahiny Aostraliana Marise Payne fa mikasa ny hitsabaka amin'ny rafitra ara-pitsarana any amin'izy ireo i Aostralia.