· Mey, 2018

Tantara mikasika ny Shina tamin'ny Mey, 2018

Fijery iraisampirenena amin'ny fifidianana amerikana

  26 Mey 2018

Raha mihamanatona ny fifidianana amerikana, mifantoka any amin'ny politika ivelany an'ireo kandidà ny mason'ny iraisampirenena. Misy ireo tetikasa toy ny an'ny fahitalavitra antserasera Current TV, Collective Journalism [en], sy ny an'ny Global Voices sy ny Reuters, ao amin'ny habaka Voices Without Votes [en], nandray an-tanana hanolotra ny fomba fijery ankapobeny.

Shina: Mandroaka ireo tsy an'asa ao Shenzhen

  25 Mey 2018

Manadio ny tanànan'ireo tsy an'asa mandritra ny telo volana mahery - izany no nolazain'ny ben'ny tanàna lefitr'i Shenzhen sady lehiben'ny polisy tamin'ny 29 aprily ho setrin'ny olana ara-pandriampahalemana ao amin'io faritra manokana ara-toekarena any atsimon'i Shina io. Niteraka valinteny mahery vaika tamin'ny aterineto izany sosokevitra izany..

Shina: Hira Avatar vaovao, aingam-panahy avy amin'ny fandroahana an-terisetra

  15 Mey 2018

Miorina amin'ny fomba fahitan'ny Shinoa marobe ny sarimihetsika Amerikanina Avatar, ny "sarin'ny fandravana mahery setra amin'ny fiainanay andavanandro", namoaka antserasera hala tahaka tamin'ny hiran'ny sarimihetsika ny vondrona mpanakanto lahatsary sy hira, Zhou Hongtao, Gong Kaijie ary ilay mpihira Lizi, ka nisary endrika Shinoa ny lohateny hoe 'Fandroahana an-kalamanjana'.

Shina : Olona Mpiahy Ireo Blaogera Mafana Fo?

  10 Mey 2018

Ahoana no hamaritana ilay blaogera MSN Spaces roa amby roampolo taona Zeng Jinyan? Loza mitatao ho an'ny filaminan'ny firenena ve ? Mpikatroka mafana fo miady amin'ny SIDA izay mitondra fanohanana, fifaliana ary fanantenana ho an'ireo kamboty tsy tambo isaina nateraky ny otrik'aretina SIDA ve ? Vehivavy tanora iray lasa mpanao hiringiriny taorian'ny nakan'ny fanjakana an-keriny ny vadiny nandritry ny iray volana mahery ? Mpiahy mitondra tenin'ireo niharan'ny tsy rariny ao anatin'ny faribolana sosialy ao Shina kanefa tsy mahateny ve ?

Tontolo Iainana: Mpitoraka Bilaogy Momba Ny Angovo, Sy Ny ‘Zero Africa Rally’

  07 Mey 2018

Mpitoraka bilaogy maro no niresaka tamim-pahamalinana ny momba ireo olan'ny angovo, avy amin'ny angovo nokleary, ny 'herinaratra apetaka dia miasa avy hatrany ' ny "Clean Ambitions"- Faniriana Madion'ny shinoa ary ireo Foiben'ny Angon-drakitra Maitso. Na any Afrika Atsimo izany, na any Shina na any Amerika, nahatonga ireo mpitoraka bilaogy hieritreritra vahaolana ny olana momba ny angovo.

Shina: Mpanapoaka baomba miteraka sahotaka sy fahatezerana

  04 Mey 2018

Tsy ny tao an-tanàna ihany no tohina tamin'ilay fanapoahana baomba ny bus fa i Shina mihitsy, fa mahatsapa tampoka ny fahakaikezan'ny fampihorohoroana ny olona. Ny nampiavaka ny fanafihana dia ny tsy manantsiny no lasibatra fa tsy ny manampahefana, mahatonga azy ho miavaka manoloana ny korontana teo aloha. Kisendrasendra fotsiny ve?