· Aogositra, 2018

Tantara mikasika ny Shina tamin'ny Aogositra, 2018

Any Shina, Miaritra Fandòrana Amin'ny Herinaratra Ireo Miankindoha Amin'ny Aterineto

GV Mpisolovava

Ahariharin'i Guo Jianloong, mpanao gazetin'ny 21st Century Business Herald, tao amin'ny lahatsorany ny fomba fanao tsy mifanaraka amin'ny maha-olona ampiharin'ny toeram-pitsaboana iray misahana manokana ny fitsaboana ireo miankindoha amin'ny aterineto any Shandong Lin-yi (臨沂 izay tarihin'i Yeung Yongxin. Nanetsika ireo ray aman-dreny hitory an'i Yeung i Guo rehefa nahita ilay lahatsoratra. Fa inona marina no zava-misy ao amin'io toeram-pitsaboana io ?

27 Aogositra 2018

Shina: Miloa-bava ireo mpisera MSN voakatona

Niharatsy hatrany ho an'ireo mpisera any Shina ny tolotra MSN satria nanova ny kaonty Passport ho Live.com ny Microsoft vao haingana. Taorian'ny nanoratan'i Frank Dai, bilaogera ao amin'ny Global Voices Online lahatsoratra momba io olana io, tapa-bolana lasa izay, nanomboka nampiaka-peo ireo mpampiasa MSN Messenger, Hotmail sy MSN Spaces.

15 Aogositra 2018

Hong Kong: CCTVB Tsia!

Olona maherin'ny 150 000 no nivory tamin'ny 4 jona lasa teo tao Hong Kong, tao anatiny sy manodidina ny kianja Victoria mba hankalaza ny faha-20 taonan'ilay fandripahana tao Tiananmen tamin'ny 1989....maherin'ny antsasak'ireo gazety eo an-toerana sy ireo fantsona fahitalavitra izay tena malaza indrindra no nanapaka hevitra ny hanao tsinontsinona ilay hetsika.

12 Aogositra 2018

Shina: Ny Zo Tsy Hatahotra

Tsy voatery hiankina amina herisetra ny fampitahorana. Ampy ny fampitomboana fotsiny ny sandan'ny fikatsahana ny fitsaràna. Ary koa, tsy dia ilaina akory aza izany. Raha vao mazava fotsiny fa azo ampiana ny vesatr'io sarany io na rahoviana na rahoviana, ampy izany handresena lahatra antsika tsy hetsika.

08 Aogositra 2018

Shina: Otrikaretina sy fomba fampahafantarana

''Ho an'i Shina, hatreto aloha ny gripan-kisoa dia mbola fahafahana mampatsiahy [amin'ny teny sinoa] ny fomba ampiasaina eo an-toerana mba hifehezana ny SRAS sy ny gripa avy amin'ny vorona mandritra ny fotoanany sy hanakanana azy ireo tsy hiparitaka, ary hampitahàna ireo fepetra raisina ankehitriny ao Meksika sy na aiza na aiza hiadiana amin'ny gripan-kisoa..''

02 Aogositra 2018