Tantara mikasika ny Fizakàna ara-tsaina
Kolombia: Nolavin'ny fitsarana momba ny lalàmpanorenana ny lalàna mifehy ny zon'ny mpamorona
Ny Alarobia alina 23 Janoary 2013, nanambara ny Fitsarana momba ny Lalàmpanorenana Kolombiana fa tsy mifanaraka amin'ny lalàmpanorenana ny andininy faha-13 sy faha-14 ao amin'ny Lalàna 1520, izay fantatra kokoa amin'ny hoe "Lalàna Lleras 2.0", milaza ny fitsarana fa "mandika ny zo fototry ny fanehoan-kevitra sy ny fifandraisana" ny lalàna.
Shily: “Aza matahotra aterineto,” ny raharahan'ny Ciudadano Inteligente
Manolotra ny raharahan'ny Orina Mpanasoa Ciudadano Inteligente, ONG iray mampiroborobo ny fangaraharahana sy ny fandraisana anjaran'ny olom-pirenena amin'ny teknolojia ny ONG Derechos Digitales ato amin'ity lahatsary ho an'ny fanentanana "Aza matahotra Aterineto" ity.
Shily: “Ao amin'ny Dicom aho” Lahatsary vaovao momba ny zon'ny mpamorona sy ny fahalalahana maneho hevitra
Ato amin'ity lahatsary vaovao avy ao amin'ny fanentanana #NoTemasaInternet ("Aza matahotra Aterineto") ity, milaza amintsika ny antony tsy atahoran'izy ireo ny aterineto ireo namolavola ny sarimihetsika "Ao amin'ny Dicom aho", tamin'ny famariparitana ireo raharaha ara-pitsarana sy ny fomba hatokisan'izy ireo ny zon'izy ireo haneho ny fahalalaham-pitenenana.
MERCOSUR Sy Ny Hoavin'ny Aterineto Any Amerika Latina
Ny Zoma lasa teo, namoaka fanambarana hentitra manohitra ny fanaraha-maso goavana ataon'ny governemantan'i Etazonia ny olom-pirenena ao aminy ireo mpitondra ambony ao amin'ny governemantan'i Amerika Latina nandritra ny fihaonana maika nataon'ny MERCOSUR, firaisana ara-toekarena sy ara-diplomatikan'ireo mpitarika any Amerika Atsimo. Manakaiky io fihaonana io, nisy vondron'olona mafana fo, mpianatra eny amin'ny ambaratonga ambony ary Fikambanana tsy miankina avy ao Amerika Latina nanoratra taratasy misokatra [es] ho an'ny MERCOSUR, manasa ireo mpitondra haka ny hevitry ny fiarahamonina sivily mba hananganana politika miaro ny zon'olombelona ao amin'ny faritra
VIDEO: Ny Fomba Mety Handratran'ilay Fifanarahana Trans-Pasifika Ireo Mpampiasa Aterineto
Misy lahatsary iray vaovao manazava ny mety hisian'ny voka-dratsy mampanahy ho an'ireo mpampiasa Aterineto aterak'ilay fifanaraham-barotra goavana nifanaovan'i Etazonia sy governemanta folo hafa avy any amin'ny faritra Pasifika, ilay Trans-Pacific Partnership (TPP).
Hafatry Ny Peroviana Ho An'ny Filoha: Tsy Azo Ifampiraharahana Ny Zonay Ao Anaty Aterineto
Ny nahatonga ireo tambajotranà ONG Peroviana fanta-daza, isan'izany ny RedGE sy ny Hiperderecho, hanao fanentanana hitaiana amin'ny Filoha Ollanta Humala Tasso hametraka fetra maza sy tsy azo hifampiraharahana, mba hahafahana matoky fa voahaja ny zo fototry ny Peroviana ao anatin'ny TPP. Mety hanamafy kokoa ny endriky ny lalàna Peroviana momba ny fizaka-manana izay miteraka resabe izy io ary hametra ny fahafahan'ny Kôngresy Peroviana hiditra amin'ny fanovàna ny lalàna nasionaly mba hamaliana ny filàn'ireo IP izay miovaova sy ny zava-misy iainan'ireo olom-pirenena Peroviana ary ny sehatry ny teknolojian'izy ireo izay an-dàlam-pitomboana.