Tantara mikasika ny Hiper-barrio
Mitarika any amin'ny fampiharana ny fomba tandrefana ve ny fanentanana amin'ny mediam-baovao?
Mora kokoa ny mitsikera noho ny mandray anjara ary iray amin'ireo fanakianana izay renay matetika ao amin'ny Rising Voices ny hoe tsy maintsy hitarika any amin'ny fampiharana ny fomba tandrefana ny fanampiana ireo vondrom-piarahamonina zara raha fantatra mba ho tafiditra amin'ny resadresaka manerantany amin'ny aterineto.
Rising Voices tao amin'ny Global Voices Citizen Media Summit 2010 tao Santiago, Shily (Ampahany 1)
Tany ampiandohan'ny volana May 2010 no natao ny Global Voices Citizen Media Summit 2010 (Vovonamben'ireo Olontsotra Mpampita Vaovao ao amin'ny Global Voices) tao amin'ny Tranombokim-panjakana ao Santiago ao an-drenivohitr'i Shily. Maherin'ny 200 ireo olona avy aminà firenena 60 tonga nanatrika ilay vovonana, izay voarakotra tsara tokoa teny anaty fampahalalambaovao. Tetikasa efatra avy amin'ny Rising Voices no nampahafantarina nandritra ny andro roa tao amin'ilay vovonana.
HiperBarrio: Campus Party Kolombia sy sary avy amin'ny lavaka paingotra
Tonga voalohany tao Kolombia tamin'ny taona 2008 ny Campus Party, iray amin'ireo fihaonambe ara-teknolojika lehibe indrindra miteny Espaniôla manerantany. Naverina indray tamim-pahombiazana lehibe izy ary tena navitrika nandray anjara tamim-pihetseham-po tamin'izany lanonana izany (2008, 2009) ny vondrom-piarahamonina Hiperbarrio ao Kolombia, izay nahazo vatsy avy amin'ny Rising Voices.
Mampiasa tononkalo hamaritana ny vondrom-piarahamonina sy ny fahatsapany ny bilaogera vaovao
Na dia tsy misy fiahiahiana aza fa ho very eo amin'ireo kitendry amin'ny vanim-potoana nomerika ny lovan-tsofin'ny tononkalo, dia misy ihany koa ny fitomboan'ny porofo (amin'ny endrika fibilaogina tononkalo, na bilaogera poetika) izay afaka mahatratra lavitra kokoa noho ny hatramin'izay ny hatsarana sy ny aingam-panahy.
Fantaro ilay bilaogera Yesenia Corrales
Nandritra ny telo taona, nifantoka tamin'ny fanazavana ireo faritra mpifanolo-bodirindrina samihafa manodidina ny tanàna, toa an'i La Loma, ary koa faritra hafa ao Kolombia ny tetikasa HiperBarrio ao Medellin. Na izany aza, asa mafy nataon'ireo mpandrindra ny tetikasa izany, indrindra fa ireo bilaogera vaovao, izay nanampytamin'ny tetikasa.
Rising Voices: Tamberin'ny taona 2010
Taona feno hetsika ho an'ny Rising Voices sy ny fiarahamoniny ny taona 2010.
Bilaogera vehivavy manantalenta ampahafantarina any ivelany
Nandritra ny atrikasa fitoraham-bilaogy vao haingana nokarakarain'ny Voces Bolivianas tao El Alto, Bolivia, namaly fanontaniana avy amin'ny iray tamin'ireo mpandray anjara i Cristina Quisbert. Mifandraika amin'ny dian'i Cristina tany ivelany mba hanatrika ny Fihaonambe BlogHer any Chicago, Illinois izay natao ny 24-25 Jolay 2009 ny fanontaniana.
Álvaro Ramírez tao amin'ny Ars Electronica 2009
Álvaro Ramirez, Gabriel Jaime Vanegas, ary Diego Gomez. no nisolo tena ny HiperBarrio tao amin'ny Ars Electronica. Nanombohan'i Álvaro azy ny fampahafantarana ny tantara sy ny fivoaran'ny HiperBarrio...
Rayones avy amin'i Jorge Jurado
Fandrobana na endrika ara-dalàna fanehoana ara-kolontsaina? Milaza zavatra bebe kokoa amintsika momba ny fiarahamonina iainantsika ve ny manamarika endrika fampitana hita maso na ny fanoratana amin'ny rindrina? Jorge Jurado mandinika ny maha zava-dehibe sy ny fahazotoana ambadiky ny teny amin'ny rindrina ao La Loma, Medellin, Kolombia.
Ny enim-bolana voalohan'ny Rising Voices
Satria vonona hiditra ny taona 2008 isika rehetra, mankalaza ny enim-bolana voalohany nisiany kosa ny Rising Voices.