Tantara mikasika ny Shina tamin'ny Marsa, 2012
Shina: Resaky Ny Mpiserasera Momba Ny Zanabolana Alefan'i Korea Avaratra
Nanambara i Korea Avaratra Tamin'ny 27 Martsa 2012 fa tsy hilaozany ny tetikasany handefa zanabolana amin'ny tapaky ny volana Aprily na dia eo aza ny fitsidihana avo lenta nataon'ny Filohan'i Etazonia Barack Obama tao Korea...
Shina: Fanamelohana Ho Faty Mba Hanafenana Ny Kolikoly Ataon'ny Governemanta?
Wu Ying, voahosotra ho ny Vehivavy Shinoa faha-enina manan-karena indrindra tamin’ny 2006, dia resy tamin’ny fampakarana ny didy manameloka azy ho faty tao amin’ny Fitsarana Avom-Bahoaka ao Zhejiang.Ity ramatoa vao 30 taona ity dia nosamborina voalohany tamin’ny Martsa 2007, nampangaina ho “nanodikondim-bola” . Oiwan Lam no mitatitra.
Tatitra Isan-taona Momba Ny Toerana Misy Ireo Mpiaro Ny Zon'Olombelona Any Shina, 2011
Namoaka ny tatitra isan-taonany momba ny raharahan'ireo mpiaro ny zon'olombelona any Shina (2011) ireo Sinoa Mpiaro ny Zon'olombelona. Na teo aza ny fanakatonana mafy ny Aterineto, manohy miady amin'ny fitaovana fanivanana ireo mpampiasa aterineto sy ireo mafana fo
Korea Atsimo: Hetsi-Panoherana Ny Fanombohan'ny Fananganana Tobim-Pamaharana Ao Jeju
Efa an-taonany izao no nanoheran'ny mponina avy ao an-tanàna ambanivohitr'i Gangjeong, Korea Atsimo, ny fananganana tobin-tafika an-dranomasina ao amin'ny Nosy Jeju. Koa satria moa mety hisy fiantraikany amin'ny toerana natokan'ny...
Shina: Tetikasa Ao Amin'ny Atetineto Entina Hanampiana Ireo Mararin'ny Pneumoconiose
Natsangana ny tetikasa fanampiana iray nataon'ireo mpampiasa aterineto , "Love Save Pneumoconiosis" ny tapaky ny taona 2011 mba hanampiana iero mararin'ny pneumoconiose. Ny Pneumoconiose dia aretina maherivaika mahazo ny havokavok'ireo mpiasa vokatry ny fifohana vovoka, izay miatraika indrindra any amin'ireo mpiasa mpifindra monina avy any ambanivohitr'i Shina.
Hong Kong: Inona No Azo Atao Ampitsaharana Ny Fizahantany Avy Any Shina Nefa Hiteraka Eto?
Iray amin'izay mampifanolana an'i Hong Kong sy i Shina ny miteraka am-pizahantany. Araka ny antontan'isa ofisialy: 95.337 ny isan'ny zaza teraka tany Hong Kong tamin'ny 2011 ka hatramin'ny 40% n'ny zaza teraka no mpizahatany avy any Shina Tanibe ny ray aman-dreniny.
Shina: Mifampihaika Amin'ny Lasiroan'Antoko
Ny antsoina hoe 50 Cent Party na lasiroan'antoko dia ireo mpaneho hevitra an-tserasera indramin'ny Fitondram-panjakana Shinoa na indramin'ny antoko komonista shinoa entina hanefena ny fihevi-bahoaka. Matetika moa ireo Lasiroan'Antoko ireo milaza izay...
Sina sy Hong Kong: Raikitra Ny Adin'ny Mpiray Sisintany Tao Anaty Fiarandàlamby
Mpandeha iray no nifamaly tamin'ny mpizaha tany Sinoa avy any amin'ny tanibe izay nihinan-kanina tao anaty fiarandalamby tao Hong Kong, Izany no adin'ny mpiray sisintany nisy farany teo amin'ny Sina sy Hong Kong, teo amin'ny fifaneraseran'i Beijing amin'ny Hong Kong.
Shina: Mpampiasa Aterineto Iray Voatàna Nandritra ny 3 Andro Noho Ny Famerenany Namoaka Hafatra Iray Tao Amin'ny Vondrona QQ
Voasambotra ny pôeta iray, Zhou Nan, mipetraka any amin'ny tanànan'i Wenzhou, Zhejiang noho ny famerenany namoaka hafatra iray an'i Long Yihai