Tantara mikasika ny Shina tamin'ny Jolay, 2013
28 Jolay 2013
Mampiseho Ny Disadisa Misy Eo Amin'Ireo Tanora Sy Ny Ray aman-dreny Ao Shina Ilay Horonantsary ‘Tiny Times’ Novokarin'ny Blockbuster
Kianin'ireo olon-dehibe ao Shina ilay 'Rendrarendran'ny' Tiny Times, tantaranà tovovavy efatra miaina anaty harena izay mikatsaka fatratra ny fitiavana sy ny fahombiazana.
23 Jolay 2013
Manome Famatsiam-bola Ho An'ny Hetsi-panentanana Hikarohana Ny ‘Nofinofy Shinoa’ i Shina
Nahazo famatsiana akademika ho an'ny fikarohana ny "Nofinofy Shinoa", fampielezan-kevitr'i Shina nalaina avy amin'ny nofinofy Amerikana, izay manindry ny Antoko Kaomionista ho ilay làlana tokana mankany amin'ny fiandrianana.
21 Jolay 2013
Namadika Palitao i Jack Ma, Ilay Mpanapitrisa, Ary Niarahaba Ny Governemanta Shinoa
Simba teo imason'ny olona ny laza maha-tsy mpandany an'i Ma Yun (马云), ilay Shinoa malaza Mpandraharaha amin'ny Aterneto, fantatra amin'ny anarana hoe Jack Ma, nandritra ilay fanadihadiana nataonà gazety iray azy, izay niderany an'i Shina nohon'ny fisivanana anaty aterineto sy herisetra ataony ary ireo tetika fampiasan-keriny.
An'arivony Ireo Nanao Diabe Tao Shina Nanohitra Ilay Tetikasa Fametrahana Fitaovana Fandoroana Fako Ao Guangzhou
An'arivony ireo mponina avy ao amin'ny tanàna iray ao Guangzhou, faritany iray ao Atsimon'i Shina, no nidina an-dalambe hanao hetsi-panoherana nohon'ny tahotra ny mety handotoana ny tontolo iainana.
Hetsi-panoherana Nampandamoaka Tetikasa Fananganana Foibe Nokleary Tao Atsimon'i Shina
Taorian'ny telo andro nisesy nanaovana hetsi-panoherana, dia hita fa nandao ny tetikasany hanangana foibe nokleary ny governemanta monisipalin'i Heshan ao an-drenivohitr'i Jiangmen. Manahy izy ireo fa mety hafindra any an-toeran-kafa fotsiny ilay tetikasa, any amin'ny farihin'i Pear River Delta Atsimon'i Shina, izay tanàna isan'ny be mponina indrindra.
Mibaiko Ireo Ankizy Lehibe Hitsidika Ny Ray Aman-drenin'izy ireo I Shina
Namoaka lalàna iray vaovao nanan-kery nanomboka ny herinandron'ny 6 jolay iny i Shina izay manery ireo ankizy lehibe hitsidika "matetika" ny ray aman-drenin'izy ireo, izay nitarika fanarabiana teo anivon'ireo mpampiasa ny vohikala fitorahana bilaogy bitika malaza indrindra ao Shina, ny Sina Weibo.
13 Jolay 2013
Mponin'i Jiangmen ao Shina Manohitra Tobim-Panodinana Uranium
Mponina an-jatony maro ao Jiangmen, tanàna iray manakaiky an'i Guangzhou any atsimon'i Shina, no nidina an-dalambe hanohitra ny fanorenana ny tobim-panodinana uranium tamin'ny 12 Jolay 2013.
07 Jolay 2013
Ny Mpiseraseran'ny Tambajotra Shinoa Faly Mitsaho sy Iva Fari-Pahaizana Hoy ny Tatitra
Tati-baovao avy amin'ny Akademia Shinoa Misahana ny Siansa Sosialy izay tantanin'ny fanjakana ka manome marika ny tambajotra sosialy ao Shina ho milina mpandefa tsaho sy ny mpisera amin'ny tambajotra sosialy ao Shina ho iva fari-pahaizana sy fidiram-bola no nanaitaitra indray ny ao amin'ny mpiserasera.
Miala Amin'ny Maha-Filohan'ny Anjerimanontolo Azy Fa Marary Mafy Ny Rain'ilay Rindrimbe Aro Afo Goavana Ao Shina
Fang Binxing, manampahaizana manokana amin'ny fiarovana ny torohay, nomena solon'anarana hoe “rain'ny Great Firewall - Rindrimbe Aro Afo Goavan'i Shina”, dia niala tamin'ny toeran'ny filohan'ny Anjerimanontolon'i Beijing misahana ny Paositra sy ny Fifandraisan-davitra. Nampitraotra ny tao anaty aterineto ary nahatezitra ny vondrom-piarahamonin'ny manampahaizana mikasika ny Aterineto ny fanapahan-keviny tampoka ny...
LALANA IZANY