Tantara mikasika ny Shina tamin'ny Septambra, 2009
Sina: te-ho lasa “mpiasam-panjakana voatsolotra” ny zazavavy kely mpianatra
Nanadihady ankizy vitsivitsy ny amin'izay tanjon'izy ireo eo amin'ny fiainana ny gazety mpiseho isan'andro Southern Metropolitan any Guangzhou, ny andro voalohan'ny taom-pianarana vaovao any Sina. Nilaza ity zazavavy iray fa ny nofiny dia ny ho lasa " mpiasam-panjakana voatsolotra"
Shina: Mpianatra ao Beijing manohitra ny hanao famerenana mitabe
Satria moa efa mihamanakaiky ny 1 Oktobra hankalazana ny faha-60 taonan'ny Repoblika entim-bahoakan'i Shina, dia netsehina hanao mitabe ho amin'izany fotoan-dehibe izany ny mpianatra avy amin'ny lisea sy ny Anjerimanontolo...
Sina: Fanomezan-danja ny fitiavan-tanindrazana Han
"Tao anatin'ny Fandaharan'asan'ny antoko komionista sinoa, tsy ny foko vitsy an'isa ihany no tsy nanana zo ara-pivavahana fa ny avy amin'ny maro an'isa Han koa aza...Amin'ny maha teraka Han sy nanalehibiazana ahy teto Sina, tsy mahita izany antsoina hoe fitiavan-tanindrazana mihoam-pampana Han izany izahay!"
Sina sy Japana: Fanehoan-kevitry ny Sinoa mikasika ny fifidianana Japoney
Nandresy tamin'ny vokatra ankapobeny tamin'ny fifidianan'ny 30 Aogositra ny Antoko Demokratikan'i Japan (DPJ), izay namarana ny 50 taona maherin'ny fitondrana tsy ankizaran'ny Antoko Liberaly Demokraty (LDP) nanomboka tamin'ny 1955. Ny...