Tantara mikasika ny Zavakanto & Kolontsaina
Andrana sary: Velona ao an-kianjan'i Chittaranjan Park, Delhi, ny fanahin'i Navratri
Ao anatin'ity andrna sary ity i Shivansh Srivastava, mpaka sary an-gazety, no mandrakitra ireo mpanao asatànana rehefa ry zareo ilay manome aina ny tanimanga masina iny mba hamoronana sampy hiatrehana ny Navratri, iray amin'ireo fety manandanja indrindra ao anatin'ny tetiandro hindoa
Tahirim-peo anjotra Karibeana sasantsasany mila henoina amin'izao Andro Iraisampirenena momba ny Tahirimpeo anjotra izao
Taorian'ny fanombohana somary miadana — sy ny fitomboan'ny fampiasana aterineto ao amin'ny faritra — dia nanomboka namihina ilay endrika ireo mpitaonan'i Karaiba tao anatin'ny folo taona teo ho eo, ary maro ireo nahatsangana mpihaino tsy tapaka amin'ny tolotra fanaony.
Tsy maintsy vahàn'ny filohan'Iran vaovao mandritra ny Fivoriamben'ny Firenena Mikambana ny famoretana ireo artista, mpanohitra
"Paikady tsy dia fantatra amin'ny fitondrana iraniana, nefa misy fiantraikany lalina amin'ny lasibatra ny fiaiken-keloka an-tery, ny fandraràna hiasa ary famerana amin'ny fivezivezeny."
Mampifandray ny biolojia amin'ny zavakanto: Antsafa nifanaovana tamin'i Samuel Ubong mpanakanto Nizeriana
"Pihan'ny sanganasako ny fifanoherana amin'ny hafohin'ny fiainana sy ny figadogadona tsy mety tapitry ny natiora." Tantara miteny hatramin'ny voalohany ka hatramin'ny faran'ny hosodoko ao amin'ny amboara Metanoia momba ny “fitohizana sy tsingerin'ny fiainana midadasika”.
‘Mendrika ho hita ny marina’: Melohin'ireo mpanakanto ny fanivànana sarimihetsika ao Filipina
Nalahatra ho X ny sarimihetsika roa ao Filipina, ary noraràna ny fandefasana azy ireo any anaty efitrano fijerena. Nahatezitra ireo Filipiàna mpankafy sarimihetsika sy ireo mpikatroka mafàna fo mpiaro ny fahalalahana maneho hevitra izany
Foaran'i Cairns maneho amin'ny fombany ireo taokanto vazimba teratany avy ao amin'ny faritra avaratr'i Queensland
Ny foaran'ny Cirns dia manasongadina hosodoko, asakanto vita amin'ny taratasy toy ny paikafo sy sokitra, lamaody, saripika, asa vita amin'ny tanimanga, famoronana 3D nampiasàna akora samihafa, sy ny maro hafa
Firaisankinan'i Aziatika Afovoany sambany hita tao amin'ny lalao olaimpikan'i Paris
Asehon'izao haavom-piraisankina izao fa efa naharafitra mari-panondroana iraisana i Aziatika Afovoany ary nifampijery mihoatra noho ny firenena mifanakaiky fotsiny.
Ampangaina ho manimbazimba ilay Belarosiana mpanao hatsikana mampitaha ny filohany amin'ny fody
Malaza ilay mpanao hatsikana amin'ny fanakianana mibaribary ny fitondrana Belarosiana sy ny mpitandro ny filaminana, indrindra taorian'ny fihetsiketsehana tamin'ny taona 2020.
Niteraka fahatsapàna fitiavan-tanindrazana ny fahafatesan'ilay Goianey mpihira malaza, fa mitarazoka kosa ny fifandroritana sisintany amin'i Venezoelà
"Mety hoe ady sisintany no nandrehitra an'izany, fa ny "Not a Blade of Grass" dia tranga iray fotsiny amin'ireo vahoaka Goianey maneho amin-kafanampo sy amim-pitiavana ny fitiavan-dry zareo an'i Goiana... "
Mankalaza ny Andron'ny Fanafahana ny Karaiba
"Ankehitriny, tsaroanay sy omem-boninahitra ny herim-pon'ny razambenay sy ny fahavononana hanafaka sy hanorina hoavy tsara kokoa izay misy ny rariny, ny fitoviana ary ny fahafahana ho an'ny rehetra."