Tantara mikasika ny Shina tamin'ny Jona, 2014
Shina : Fetiben'ny Henan'Alika- Heloka Sa Kolontsaina ?
Miady mafy ireo mpikatroa mpiaro ny zon'ny biby any Shina mba handraràna ny fihinanana henan'alika, fa lazain'ireo mpankasitraka ny fomban-drazana sy ny mpakafy ny henan'alika ho fanitsakitsahana ireo zo sy ny kolontsaina izany.
LAHATSARY: Nahoana Ireo Mpianatra Sasany No Mifindra Monina Mba Hialàna Amin'ny “Tsy Rariny” Amin'ny Fanadinana Fidirana Oniversite Ao Shina ?
Manome vahana kokoa ireo mpianatra avy amin'ny faritany sasany miohatra amin'ny hafa, ny rafitra mametra fetran'isa ekena, midika izany hoe tokony hifindra toerana any amin'ny faritra metimety kokoa mba hahabe ny vintanao, ka hahafahana miditra aminà anjerimanontolo tsara.
Niharan'ny Fanafihana DDoS Goavana Ny Habaka Saika Hampiantrano Fitsapa-kevi-bahoaka Antserasera Ao Hong Kong
Andro vitsy mialoha ny fitsapa-kevi-bahoaka (referendum) antserasera mikasika ny zo hifidy izay karakarain'ny olo-tsotra , niharan'ny fanafihana DDoS mafonja ny sehatra teknika izay nokasain'ireo mpikatroka hampiasaina amin'ity fitsapa-kevi-bahoaka ity.
Hametraka Famotopotorana Ny Lafiny Filaminana Eo Amin'ny Vokatra Teknolojika i Shina
Manome fototra araka ny lalàna hoan'ireo manampahefa Shinoa ny politika vaovao mba hanery ireo orinasan'ny teknolojia sy mpamatsy tolotra aterineto mba hanaisotra ireo vokatra "tsy ara-dalàna"-tahaka ny fitaovana fidifiana sivana - eny an-tsena.
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...