Tantara mikasika ny Shina tamin'ny Desambra, 2008
Shina: Ny Sata faha 8, mba halàlaka sy tsy hanan-tahotra
Ankatoky ny fankalazana ny faha enimpolo taonan'ny fanambarana eran-tany momba ny Zon'Olombelona ny 10 Desambra, Sinoa 303 mpitandro ny zon'Olombelona, no niaraka namoaka ny Sata faha 8, izay mitaky fanavaozana pôlitika any Shina. Kanefa, ny governemanta Sinoa dia nanapa-kevitra ny hankalaza ny fanambarana eran-tany ny zon'Olombelona amin'ny alalan'ny famoretana izany...
Shina sy Frantsa: Atao fahirano ny vita frantsay
Nisy lahatsoratra nivoaka tamin'ny 1 Desambra tao amin'ny China.com mampirisika ny firenena manontolo hanao fahirano ny vokatra frantsay ho fanoherana ny fihaonana eo amin'ny Filoha frantsay Nicolas Sarkozy sy ny Dalai Lama. Manome torohevitra ny mpanjifa ny lahatsoratra tsy hividy marika frantsay tokony ho 50 eo ho eo ka anatin'izany...
Shina: Ny zanaky ny laibany no mitavana ny harena
Araka ny tatitra hita amin'ny haino aman-jerim-panjakana dia nataon'ny mpitazona ny fahefana politika ampihimamba ny harena ao amin'ny firenena. Ny naharatsy ny toe-draharaha dia rehefa nifindra tamin'ny taranaka manaraka izany tombondahiny azony izany.
Shina : Fitokonan’ny mpamily fiarakaretsaka, sendikà ary demaokrasia an-dalambe
Nitokona nanditra ny iray volana ny mpamily fiarakaretsaka nanerana ny firenena. Tany Chongqin no nitranga ny fitokonana voalohany tamin’ny 3 Novambra teo, niitatra tany Hainan, Gansu, Yunnan, Shandong, Qingdao, Jinan, Fujian, Shantou, Wubei, Shaanxi ary tanàna hafa maro koa izany. Tahaka ny hoe nisy fitokonan’ny mpamily fiarakaretsaka ny 1 Desambra...
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...