Tantara mikasika ny Shina tamin'ny Mey, 2017
Shina: Tandindonin-doza Ny Lemaka
Mifantoka amin'ny olan'ny tontolo iainana sy ny toetrandro ao Shina ny tranonkala ifandrimbonana vaovao iray antsoina hoe 'China Green' (Shina Maitso). Miresaka ny Lemaka Tibetana ny tetikasa voalohany , izay mampiseho hoe nahoana no mametraka loza mitatao.....
Shina : Azo Itokisana Ireo Mpampanofa Vatana Raha Ampitahaina Amin'ireo Manampahefana, Araka Ny Fanadihadihana Iray
Ny mpampanofa vatana àry mba mikokotra amin'ny heriny sy ny sainy rehetra hahazo am-pahamarinana ny volany, raha ny hafa kosa mametsy ireo mpiasa manao ny marina.
Ejypta: Manaja ny Jirom-pifamoivoizana
Inona no toetra tokony hananan'ny olona rehefa miampita arabe, raha anisan'izao tontolo izao ny firenen'izy ireo? Bilaogera Ejypsiana Egyptian in the USA, mitondra antsika ny valinteny ao amin'ity dika-teny amin'ny teny Arabo ity
Ejypta: Lehilahy Bilaogera Ejypsiana Manafatra “Hymen” Tsy Voajanahary
Marobe ireo fanehoan-kevitra momba ny hymen virijiny tsy voajanahary - nividy iray tamin'izany ilay lehilahy bilaogera Ejypsiana Mohamed Al Rahhal. Mitantara antsika ny tantara i Marwa Rakha
Lahatsary Miparitaka Be Mitondra Adihevitra Momba ny Fanabeazana Tia Tanindrazana Ao Shina, Indray
"Tsy ilain'ireo zanako ny hanaraka ireny antsoina hoe 'maherifo' ireny, izay namono ny mpiray tanindrazana taminy. Ny hianatra hitia ny tontolo iainana, miasa amin'ny fomban'ny olona nahita fivoarana, no tokony hianaran'izy ireo"
Shina: Mibitsika Ny Nitànana Azy Vonjimaika Tany Am-ponja
Azo eritreretina ho tsy nahita antony mitombina ry zareo, ka izany no antony tsy nakàny ny telefaona finday teny aminay [...]. Nivory nandritry ny ora roa ry zareo, ary avy eo dia nanoratsoratra fanontaniana. Nila naka ny hevitry ny amboniny ry zareo vao tonga tamin'io. Nambarako azy ireo fa tsy hanao afa-tsy ny hiteraka fahafaham-baràka ho azy ireo izao rehetra izao.
Maninona No Ao Shina Ny Antsasany Amin'ireo Solosaina Tratry Ny Viriosy WannaCry Fitakiana Vola?
Mety marefo kokoa mora iharan'ilay fanafihana ireo Shinoa mpampiasa solosaina noho ny ankamaroan'izy ireo zatra mampiasa hosoka (izany hoe piraty) na Windows efa tranainy be ka vokatr'izay dia tsy mahazo fanavaozana ny fiarovana intsony
Mpanao Haiady Mifangaro (MMA), Mampiasa Ny Folo Segondra Nandreseny an'ilay Mpampianatra Tai Chi Mba Hihantsiana Ireo Shinoa Mpanao Kung Fu Mpitàna Birao
Nihen-danja ho fampisehoana be loatra sy fahaizamanao kely loatra ve ny haiady Shinoa? Mieritreritra toy izay ny olona iray mpanao Haiady Mifangaro, ary narahany asa ny teniny.
WeChat? Tsy Ao Rosia.
Nakaton'ny mpanao fanampenam-bava federaly ao Rosia ny WeChat, fampiharana fandefasan-kafatra amin'ny finday lehibe indrindra avy ao Shina. Araka ny filazan'ny Roskomnadzor, tsy nahavita nisoratra anarana tao amin'ny governemanta federaly ho "mpandrindra ny fanapariahana vaovao" ny WeChat.
Lasa Aiza Daholo ny Olon-tsotra ao Shina Ao Amin'ilay Tantara Mitohy Miady amin'ny Kolikoly Mitondra ny Lohateny hoe ‘Amin'ny Anaran'ny Vahoaka'?
Ilay “Amin'ny anaran'ny vahoaka” aloha dia tokony nantsoina hoe “Rafitra ifandovan'ny Menakely”, raha mahita ilay tantara tsangana maneho ny zanaky ny tantsaha ho mora lasa manampahefana voakolikoly sy olon-dratsy raha asandratra kosa matetika sy lazaina ho olona tsara [taiza] ireo zanaky ny manampahefana...."