Tantara mikasika ny Haisoratra
Nangasihasy ry zareo Belarosiàna any am-pielezana nony nahita fa tsy nisy tamingana Belarosiàna tamin'ilay fifanakalozana gadra
Mazàna no tsy raharahaina ny fijalian'ireo Belarosiàna gadra pôlitika, ary na 18 aza no navotsotra tamin'ny volana lasa iny, tombanana ho mbola misy 1.400 any am-ponja
Fandinihana ny lasan'i Nepal: Tafatafa nifanaovana tamin'ilay mpanao gazety sady mpanoratra Mohan Mainali
Niantsafa an'i Mainali tamin'ny alàlan'ny mailaka ny Global Voices mba hijery ny maha-zava-dehibe ny toe-javatra ara-tantara amin'ny famolavolana ny hoavin'i Nepal ary hanainga kokoa ny fankasitrahana ny vakoka maro ao amin'ny firenena.
Mahita izao tontolo izao amin'ny alalan'ny teny: Ahoana no ahafahan'ny boky mampitsangatsangana antsika
"Eo amin'ny tontoloko, manam-pahaizana mamorona tontolo hafa ao an-tsaintsika ny mpanoratra, ary mitondra ny andraikitra maneho ny kolontsaina sy ny olana, mitantara amim-pahefana izay misy fiantraikany amin'ny fihetseham-pontsika."
Goadelopa: Maryse Condé tsaroana amin'ny maha-mpikaroka tsy nataho-maso mena azy nanoloana ny fahasarotan'ny tantara sy ny maripamantarana an'i Karaiba
Tamin'ny alàlan'ny famerenana nandinika ireo hevitra efa nosainina mialoha sy tamin'ny fanasongadinana ireo fahasarotan'ny maha-mainty hoditra, nihoatra ny sisintany ny asany, fitaomana avy amin'ireo mpisaina nanohitra ny mpanjanaka, toa an'i Frantz Fanon sy Aimé Césaire,
Nodimandry teo amin'ny faha-73 taonany i Brian Heap, olo-malaza amin'ny teatra Jamaikana sady mpampianatra malala-tanana
"Nanana fahafahana nampiditra antsipirihan'ny kolontsaina Jamaikana tao amin'ny asany izy ary namadika ny mahazatra ho zavatra miavaka."
Tchad zaratany literera: antsafa nifanaovana tamin'i Nétonon Noël Ndjékéry, mpanoratra tantara amin'ny teny frantsay
Firenena Saheliana ary mampitohy an'i Afrika Avaratra sy Afrika Afovoany, mahalana no resahina amin'ny fampitam-baovao ho toy ny zaratany literera i Tchad. Mba hamenoana izany, nitafatafa tamin'ny mpanoratra Nétonon Noël Ndjékéry, iray amin'ireo solontenan'ny literatiora Tshadianina miteny frantsay fanta-daza ny Global Voices.
Gazetiboky frantsay manasa antsika hamantatra ireo endrika 50 tsy azo lalovam-potsiny amin'ireo tangoronosy Japoney
Na eo aza ireo vina ara-toekarena tsy dia mampaharisika loatra, dia maneho fahalinana be tsy mbola nisy tahaka izany amin'i Japàna ireo frantsay mpamaky.
Teraka tao Jamaika, Jason Allen-Paisant indray no poeta karaibeana nahazo ny loka malaza T.S. Eliot
« Alina manatantara ho an'i poezian'i Karaiba » : Amin'izao fandreseny izao, fanintelony izao tao anatin'ny dimy taona ny poeta manana fiaviana karaibeana no nahazo ity loka malaza ity.
Palestiniana mpanoratra Randa Jarrar notaritaritina nivoaka ny hetsika PEN America noho ny fanoherany
Navoaka an-keriny noho ny fanakorontanana an’ilay mpanohitra fampitsaharana ady Mayim Bialik ny mpanoratra Palestiniana Amerikana Randa Jarrar tamin'ny famakiana ny anaran'ireo mpanoratra Palestiniana novonoin'ny tafika Israeliana tao Gaza.
Hafanao ny tanako: Tantaran'ny Nepali iray vao vita raharaha
"Ankehitriny, eto Kathmandu, hitan'i Kalpana fa tsy mifanaraka amin'ny fitantarana henony miverimberina tany an-tanindrazany ny fiainana.."