· Jolay, 2017

Tantara mikasika ny Shina tamin'ny Jolay, 2017

Fitantarana Manokana: Horohorontany Tao Sichuan (Shina)

  26 Jolay 2017

Tamin'ny 12 May 2008, namely ny faritanin'i Sichuan, ao atsimo-andrefan'i Shina ny horohorontany nahatratra 7.8 amin'ny maridrefy Richter. Tao amin'ny distrikan'i Wenchuan no nisy ny foibeny, saingy heno hatrao Beijing sy Hong Kong ny hovitrovitra. An'aliny ireo niharam-boina. Nametraka fijoroana vavolombelona, lahatsary, sary sy fanehoan-kevitra tamin'ny aterineto ireo olon-tsotra.

Tontolo Iainana : Bilaogy Miresaka ny Tontolo Iainana, Angon-Dahatsoratra Manerantany

  21 Jolay 2017

Miresaka ireo olana marobe mahakasika manokana ny faritra misy azy, nefa mampitebiteby ny erantany ireo bilaogy miresaka ny tontolo iainana manerantany. Saintsainin'ny bilaogy Gorilla Protection (fiarovana ny Rajako) any RDC ny dikan'ilay fifanarahana fandriampahalemana. Avy amin'ny China Dialogue, ny fijerena ny tohin'ilay fihaonana momba ny ady amin'ny fiovaovàn'ny toetrandro tany Bali, ary avy any Afrika Atsimo ireo fanehoankevitra momba ny fahatapahan'ny herinaratra vao haingana sy ny fifaninanana fiara tsy manimba tontolo iainana.