Tantara mikasika ny Shina tamin'ny Mey, 2009
Sina sy Hong Kong: sary amin'ny T-shirt ho fahatsiarovana ny hetsika 4 Jona.
Isan-taona, mialoha ny fahatsiarovana ny 4 Jona( Kianjan'i Tianamen , 1989), no tian'ny mponina ao Hong Kong hanaovana fihetsiketsehana hitadiavana ny rariny. Amin’ity taona ity dia ny andron’ny 31 May no anaovana ny fihaonambe ho fahatsiarovana ny faha-20 taonan’izany. Ankoatra izany dia hisy ny fitondrana labozia amin'ny alin’ny 4 Jona izay hiarahan’ny vahoaka...
Palestina: Noheligelenin'ny miramila isiraeliana ny lanonana ara-literatiora
Mivezivezy any amin'ny faritra manamorona an'i Jordana, Palestina, ny Lanonana ara-literatiora ao Palestina izay fihaonana ara-haikanto tontosaina manomboka ny 23 ka hatramin'ny 28 mey. Ny tanjon'izy ity moa dia ny hanotronan'ny mpanoratra sy ny artista manerantany ny Palestiniana, hisavasava ravina sy hikarakara lanonana ara-kolotsaina andraisan'ny ao an-toerana sy iraisam-pirenena anjara....
Sina: manampy an'ilay mpandroso sakafo nahafaty mpiasam-panjakana iray ireo mpampiasa aterineto
Deng Yujiao, mpandroso sakafo iray mipetraka any amin'ny faritanin'i Hubei nanindrona antsy mpiasam-panjakana iray ary nandratra iray hafa raha nanohitra ny fikasan'iretsy farany ny hanao firaisana ara-nofo taminy. Ny resaka mandeha eo anivon”ny aterineto dia tsy misy fitserana manoloana ilay razana fa manohana amin'ny ankapobeny an'ilay vehivavy 21 taona, amin'ny...
Shina: Nasavorovoron'ny T-shirt iray
Toa nahasarika ny mason'ny polisy sy nanohintohina ny filaminanam- bahoaka ny soratra tamin'ny T-shirt nanaovan'ny mpahay lalàna Liu Shihui. Omena anareo eto ambany ny ampahan'ny voasoratry Liu ao amin'ny bolongany momba izay niainany tany Guangzhou. 2009年5月12日下午5点多,我在广州市岗顶地铁站靠近C出口的地铁闸口外面等我女朋友….电话联系知道她已经快到了。 Niandry ny sipako tao amin'ny garan'ny metro tao Guangzhou tamin'ny 12 Mey 2009 tamin'ny...
Shina: Manao asa tsy fankatoavana ireo moderatera any Yunnan
Mba hanaraha-maso ny famoahana (mpandika: sary, lahatsary, feo, soratra) an-tserasera sy ifehezana ny hevitry ny olona dia manome baiko sy toromarika ho an'ny mpandrindra (webmasters) sy ny moderatera isan'andro ny sampan'ny minisiteran'ny filazam-baovao sy fampielezan-kevitra mba hanasongadina karazam-baovao sy hevitra sasany sy hamafa kosa ny hafa any amin'ny dinika, vohikala...
Hong Kong: Donald Tsang, aza fady matesa!
Tezitra tamin'ny fanamarihan'i Donald Tsang Lehiben'ny mpanatanteraka niresaka momba ilay indray 4 jona nandritra ny kabary nataony teo anoloan'ny Mpanao lalàna tamin'ny herinandro (13 mey) ny olona. Hoy ny navaliny raha nanontaniana ny heviny manokana mikasika ny hetsika fitakiana nataon'ny mpianatra tamin'ny 4 jona izy: I understand Hong Kong people’s...
Shina: Mampatahotra ny miseho amin'ny tena anarana amin'ny aterineto
Lasa sehatra manan-danja fanaovan'ny olona politika sy fitsikerana mpitondra ny aterineto any Shina. Voaantoky ny fanafenana anaran'ny mpampiasa azy amin'ny ankapobeny ny fahalalahan'ny aterineto. Na izany aza dia tsy nitsahatra mihitsy ny fitadiavana hanohintohinana io fahalalahana io. Vao tsy ela akory izay dia nosamborina noho ny fiampangany ny tompon'andraiki-panjakana tao...
Shina: Ny fanokana-monina ny Meksikana rehetra
Be loatra angamba ny lahatsoratr'i Michelle Malkin novakian'ny tompon'andraiki-panjakana Shinoa misahana ny fahasalamana tao ho ao; raha nofoanany avokoa ny zotram-piaramanidina avy any Meksika rehetra, ary nahavory Meksikana 41 raha vitsy indrindra tany Beijing, Shanghai ary Guangzhou ny fanjakana, handroaka azy ireo hiala an'i Meksika, nefa fantatra fa tsy hita...