Tantara mikasika ny Fanoherana
Nitory vehivavy miisa telo i Singapaoro noho ny famoriam-bahoaka ‘tsy ara-dalàna’ manohana an'i Palestina
"Tokony hajaina sy arovana ny fihetsika tsotra ataon'ny Singapaoreana tamin'ny fanaterana taratasy am-pilaminana any amin'ny biraon'ny Filoha."
Na nisy aza ny fampanantenana dia mbola miatrika tsy fahampian-drano ry zareo Azerbaijaney
Mandritra izany fotoana izany, raha maneho ny ahiahiny ireo manampahaizana, momba ny fahafahan'ny fanjakàna mamaha ny olan'ny tsy fahampian'ny rano, miaritra ny mafy kosa ireo vahoaka ao an-toerana sy ireo mponina eny am-bohitra.
Mitolona miteny hoe ‘eto’ ny hoe any an-tsesitany
"Ny sesitany dia momba ny faniriana hiverina ... Afaka manolo-tena amin'ny tanindrazana vaovao ve isika, tsy milavo lefona amin'ny fanantenana Hong Kong afaka?"
Ho fandravana ny demôkrasia, nofoanan'ny fitsarana thailandey ny antoko mpanohitra voalohany
"Ny Fitsarana momba ny Lalàmpanorenana dia tokony ho fikambanana miaro ny Lalàmpanorenana sy ny zo araka ny Lalàmpanorenana. Fa izao izy fikambanana manitatra ny fahefam-panjakana sy mametra ny zon’ny olona sy ny fahalalahan’izy ireo."
Ao Tiorkia, tafa an'arabe nandefasana olontsotra iray ho any am-ponja
Ny "faniratsiràna filoha" sy "fandrisihana fifankahalàna ary fifandrafesana eny anivon'ny vahoaka" no roa isan'ireo vesatra mahazatra anenjehan'ny governemanta ao Tiorkia ireo mpitsikera.
Ampangaina ho manimbazimba ilay Belarosiana mpanao hatsikana mampitaha ny filohany amin'ny fody
Malaza ilay mpanao hatsikana amin'ny fanakianana mibaribary ny fitondrana Belarosiana sy ny mpitandro ny filaminana, indrindra taorian'ny fihetsiketsehana tamin'ny taona 2020.
Mpikarakara ny ‘Walk for Justice’ (Diabe ho an'ny Rariny), nametraka fitoriana pôlisy ao Malezia
"Tokony hatsahatry ny pôlisy izay rehetra tetikady mahery setra ary hajanony ny fanaovana lasibatra an'ireo mpanao hetsipanoherana am-pilaminana sy mpanakiana ny governemanta.."
Hetsika iray manan-tantara, Venezoeliàna niaraka niasa hampibaribary ny hosoka nataon'i Maduro tamin'ny fifidianana
Sambany teo amin'ny tantaran'i Venezoelà no nisy kandidà mpanohitra nahazo firaketana an-tsoratra marobe. Ho an'ny maro, asehon'io ny trangana hosoka marobe mahamenatra nataon'i Maduro
Aostraliàna mpanao gazety, mitokona mitaky fepetram-piasàna sy karama tsaratsara kokoa
"Tsy maneho ny maha-tomponandraikitra no sady tsy misy fanajàna ny fanasaziana ny olona tena ianteheran'ny orinasa mba hampahomby ny fikatsahany tombontsoa "
Nangasihasy ry zareo Belarosiàna any am-pielezana nony nahita fa tsy nisy tamingana Belarosiàna tamin'ilay fifanakalozana gadra
Mazàna no tsy raharahaina ny fijalian'ireo Belarosiàna gadra pôlitika, ary na 18 aza no navotsotra tamin'ny volana lasa iny, tombanana ho mbola misy 1.400 any am-ponja