Tantara mikasika ny Shina tamin'ny Aogositra, 2012
Kalaza NBA Taloha Mpandala Ny Tontolo Iainana Mitsidika An'i Kenya
Hatramin'ny nisotroany ronono tamin'ny National Basketball Association [Etazonia] herintaona lasa izay, Lasa mpikatroka miaro ny tontolo iainana ilay kalaza Shinoa Yao Ming. Nitsidika toerana nanatontosana rafitra iadiana amin'ny fihazana tsy ara-dalàna izy
Shina: Fihazàna Ivelan'ny Fari-piadidiana Mahazo Mpanao Gazety Iray Mpanadihady
"Navoakako ny taratasy ofisialy avy amin'ny polisin'ny fileovana ao Jiansu Funing izay manendry mpanao heloka bevava 61 ao anatin'ny asam-panjakana" - .Zhou Xiaoyun, mpanao gazety mpanadihady, dia karohin'ny manampahefana taorian'ny namoahany tranganà kolikoly goavana iray
Shina: Nahazo Fanohanana Avy Ao Amin'ny Aterineto Ny Fandraràna Ny Fivarotana Tsy Ara-dalàna Ireo Vangin'elefanta
Nomen'ireo Sinoa mpampiasa aterineto tosika ny fanohanana ny fandraràna ny fivarotana an-tsokosoko eran-tany ny vangin'elefanta. Ny 2000 ka hatramin'ny 2011, raha Afrika Atsinanana no ivon'ny famoahana an-tsokosoko ireo vangin'elefanta, i Shina sy Thailand kosa no toerana goavana indrindra ivantanan'ireo vokatra azo avy amin'ireo vangy ireo.