Tantara mikasika ny Shina tamin'ny Marsa, 2016
Mpanoratra Roa Nametra-Pialana Ampahibemaso Ao Anatin'ny Finiavan'ny Antoko Komonista Shinoa Hangeja Ny Kolontsaina
"Toeram-pivorian'ny mpandala literatiora hatry ny talohabe i Suzhou. Nanana fomban-drazana tsara amin'ny fanatrarana ny idealiny izy. Saingy efa levona izany fomban-drazana izany ankehitriny."
Maneso ny Fampirafesan'i Mark Zuckerberg Amin'i Shina Ireo Mpiserasera
"Mark, 6 no fitambaran'ny isan'ny olonanao ao anatin'ny tarika mpihazakazaka. Efa nahazo ny fahazoandalana mihazakazaka teny an-dalambe ve ianao? Raha tsia, tsy ara-dalàna izany eto Shina."
Ny Herinandro Tato Amin'ny Global Voices Podcast: Elefanta Ao An'efitrano
Amin'ity fizarana ity, mitondra anao ao Somalia, Japana, Shina, Pakistan ary Kiobà izahay.
Nakatona Ny Tranokalam-baovaon'ny Antoko Komonista Iray Ao Shina, Olona 20 Nosamborina Noho Ny Fitakiana Ny Fialan'i Xi Jinping
Na dia nivoaka tamin'ny tranonkala nandritra ny adiny roa monja aza ilay taratasy misokatra, dia hita ho fanoherana mivantana ny fitantanan'i Xi avy ao anatin'ny antoko izany.
Inona No Anton'ny Famoretana Ataon'i Shina Amin'ny Raharaha Ren Zhiqiang
Nanjary fitsapan-kafanana ara-politika mikasika ny toe-tsain'i Xi manoloana ireo fahasamihafana ara-poto-kevitra misy ao anivon'ny antoko ny raharaha, miaraka amin'ny fampanginana an'i Ren, ka lasa mampanontany raha misy olona afaka manasokajy ny tenany ho tsy misy ahiana amin'ny fanadiovana [olona] ara-politika rahatrizay.
Nahare Ve? Niverina Ny Global Voices Podcast
Taorian'ny telo taona niatoana dia niverina ihany tamin'ny farany ny Global Voices Podcast. Amin'ity andiany ity izahay hitondra anareo ho any Meksika, Shina, Tajikistan, Makedonia ary Rosia.
Tsy Handefa Mivantana Ny Fizaran-Dokan'ny Filma Avy Ao Hong Kong i Shina Noho Ilay Sarimihetsika Mangidy Fijery Mitondra Ny Lohateny Hoe ‘Folo Taona’
" Inona no tena mampatahotra amin'ilay filma? Nandoko eritreritra sy fomba fijery isankarazany ilay filma; mety ho teboka fiaingana hifandraisana sy hifankahazoana io.."
Tian'ireo Media Ao Shina Raha Mba Tianao Toy Ny Itiavanao Ny Ankohonanao Ny Fanjakàna
"...noho ny fitiavanao ny rainao, azonao tapahana ny fifandraisanao amin'ny amperora, saingy tsy azonao tapahana ny fifandraisanao amin'ny rainao noho ny fitiavanao ny amperora. Mahatsikaiky tanteraka ilay fomba filaza hoe "fanehoana fankatoavana ny loharano niandohana manoloana ny fanjakana."
Netizen Report: Nosamborina Tao Brezila Noho Ny Tsy Nanomezany Hoan'ny Polisy Ny Lahatahiry WhatsApp Ny Filoha Lefitry Ny Facebook
Nosamborina tao Brezila ny filoha mpanatanteraka ny Facebook, nilaza ny filohan'i Bolivia fa hifehy ny tambajotra sosialy izy, ary kaonty media sosialy miisa 580 kosa no nakaton'i Shina noho ny "famitaham-bahoaka”.
Jereo Ny Akanjo Nanaovan'ireo Solontena Tibetana Tamin'ireo Fivorian'ny Kongresy Roa Tany Shina Tamin'ity Taona Ity
Tamin'ny kaoferansy amin'ity taona ity, niompana tamin'ireo pins misy ny sarin'ny Filoha Shinoa Xi Jinping izay miseho eny an-tratran'ireo solontena Tibetana, ireo mpisera amin'ny Aterineto.