Tantara mikasika ny Shina tamin'ny Avrily, 2014
MH370: Ankalazain'ny Praiminisitra Aostraliana Ny Fikarohana Ilay Fiaramanidina Tsy Hita
Resahan'ny Praiminisitra Aostraliana ny momba ny fitadiavana ilay fiaramanidina MH370 Maleziana very.
Hamafisin'ny Lalàna Miaro Ny Tontolo iainana Ao Shina Ny Sazy Ho An'ireo Mpandoto
Manome fahefana bebe kokoa an'ireo sampan-draharaha misahana ny tontolo iainana hampiasa ny fahefana hanasazy ireo mpandoto matanjaka io lalàna vaovao io ary tsy hanarontsarona intsony ny sazy ara-bola natao ho an'ireo orinasa noho ny fandotoana .
Nolavin'ny Fitsarana Shinoa Ny Fitoriana Mikasika Ny Loton-drano Ao Lanzhou
Nolavin'ny fitsarana Shinoa ny fitoriana ilay orinasa mpamatsy rano ao Lanzhou izay napetrak'ireo mponina miisa dimy noho ny fisiana benzène miteraka homamiadana tafahoatra amin'ny rano amin'ny paompy.
Firoboroboan'i Shina, Mihisatra Noho Ny Fiatrehany Fanamby Ara-toekarena
Harin-karena faobe 7.4 isan-tajo nandritry ny efatra volana voalohan'ny 2014, ny taha ambany indrindra hatramin'ny efatra volana farany ho an'ny taona 2012.
Nosakanan'i Shina Ilay Horonantsari-mihetsika Fohy Avy Ao Hong Kong
Nanjary malaza tao amin'ny aterineto sy niteraka fahatezerana teo amin'ireo Shinoa mpanao sivana ilay horonan-tsarimihetsika fohy tantaran'ny hoavy noforonina mitondra ny lohateny hoe " Ho Rava Afaka 33 taona i Hong Kong ".
Shina : Voaloton'ny Benzene, Akora Simika Miteraka Homamiadana, Ny Rano fisotro Tao Lanzhou
Benzene, ranoka simika mahatonga homamiadana, no hita tao amin'ny rano fisotron'ny ao an-tanàna, nisy fotoana efa nihoatra avo 20 henin'ny fatra tokony ho izy izany.
Notsipahin'ireo Mpanao Fihetsiketsehana #CongressOccupied Ny Tolo-kevitry ny Filoha Taiwaney
Nolazain'ny mpikambana ao amin'ny Hetsika #CongressOccupied ho "babangoana, tsy mazavazava ary mandiso fanantenana" ny drafitry ny Filoha Ma momba ny rafitra mpanaramaso ny fifanarahana ara-barotra.
Taiwaney Antsasaky Ny Tapitrisa No Manohana Ny #CongressOccupied (Voabodo Ny Kongresy)
Mitaky ny hialàn'ny governemanta Taiwaney amin'ny fifanekena ara-barotra amin'i Shina ireo mpanao fihetsiketsehana #CongressOccupied (Voabodo ny Kongresy).
Hetsika Kongresy Voabodo Ao Taiwan, Voadika
Nifamory amin'ny alalan'ny Facebook ny mpandika lahatsoratra anjatony handika amin'ny fiteny hafa ny tantaran'ny fibodoan'ny mpanao fihetsiketsehana ny lapan'ny fanaovan-dalàna ao Taiwan taorian'ny fandaniana ny fifanarahana ara-barotra miaraka amin'i Shina.
Lavitry ny Maso, Lavitry Ny Saina ? Ireo Fihetsiketsehana Any Amin'ny Fihaonana An-Tampony Momba Ny Fiarovana Nokleary
Nosakanan'ny mpiaro ny filoha ny mpanao fihetsiketsehana ao amin'ny Free Tibet, ary nomena toerana tsara teo akaikin'ny toeram-pivoriana kosa ny hetsika nanery an'i Etazonia mba hampijanona ny fanirian'i Iran amin'ny fanaovana fitaovam-piadiana nokleary.