Tantara mikasika ny Lalàna
Na nisy aza ny fampanantenana dia mbola miatrika tsy fahampian-drano ry zareo Azerbaijaney
Mandritra izany fotoana izany, raha maneho ny ahiahiny ireo manampahaizana, momba ny fahafahan'ny fanjakàna mamaha ny olan'ny tsy fahampian'ny rano, miaritra ny mafy kosa ireo vahoaka ao an-toerana sy ireo mponina eny am-bohitra.
Ao Tiorkia, tafa an'arabe nandefasana olontsotra iray ho any am-ponja
Ny "faniratsiràna filoha" sy "fandrisihana fifankahalàna ary fifandrafesana eny anivon'ny vahoaka" no roa isan'ireo vesatra mahazatra anenjehan'ny governemanta ao Tiorkia ireo mpitsikera.
Fitsipika fakana lisansa media sosialin'i Malayzia: fiarovana anjotra sa sivana?
"Tsy tokony voatery ny fahazoan-dalana sehatra media sosialy, tsirefesimandidy sy hametraka loza miantona amin'ny zo demôkratikantsika hitsikera na hanontany ny governemanta."
Ny fomba fanomezan'i Barbados voninahitra ireo zokiolona feno zato taona ao aminy
Manan-tarazo mankalaza ny zokiolona sy manao azy ireo hahatsapa ho voatokana sy tsy voahilika i Barbados, fa toe-javatra mampanahy ny herisetra atao amin'ny zokiolona.
Raha ny marina dia tsy misy resaka fiarovana eny an'arabe ao anatin'ilay volavolan-dalàna momba ny alika mirenireny ao Tiorkia
Mora kokoa ny mandray ireo olana hita maso sy misarika ny saina, toy ny momba ireo alika mirenireny, fa tsy ireo olana misoko mangina sy saro-takarina, toy ny fiarovana eo amin'ny asa ary ny herisetra mifototra amin'ny maha-lahy na maha-vavy.
Tiorkia, manatevina ny laharan'ireo firenena mihevitra hametraka lalàna momba ny olon'ny avy any ivelany (mpitsikilo)
Mihevitra hampandany lalàna momba ireo mpitsikilon'ny avy any ivelany i Tiorkia, izay naroso tao anatin'ny fehezam-pitsaràna faha-9
Pretra Orthodoksa iray ao Kazakhstan miezaka manokatra fiangonana iray tsy miankina amin'ny Fiangonana Orthodoksa Rosiana
Ny manahirana raha jerena ny lalànan'i Kazakhstan, voarara ny mitory sy ny manao asa misiona raha tsy mbola nisoratra anarana.
Mitolona ho amin'ny fahatsiarovana ny fandripahana tao amin'ny Kianjan'i Tiananmen 4 Jona 1989 i Hong Kong
Nanomboka nanolotra ny fijoroany ho vavolombelona/fahatsiarovana manokana momba ny fahatsiarovana ny 4 Jona nanomboka ny 30 Aprily 2024 i Chow — manamarika ny fanisana 35 andro ho an'ny tsingerintaona faha-35n'ny famoretana ny 4 Jona 1989 tany Shina ny daty.
Fisamborana voalohany nataon'ny fiarovana anatiny tao Hong Kong, nikendrena an'i Chow Hang-tung, ilay vehivavy mpikatroka ao Tiananmen, sy ireo mpanara-dia azy
Mialoha ny fankalazana ny faha-35 taonan'ny 4 Jona, nambaran'ny pôlisy ao Hong Kong fa nampiasaina tanaty ranty anaty Facebook ny "daty iray saropady" mba handranitana fankahalàna ny governemanta foibe sy ny ao Hong Kong
Maty tany am-ponja ilay Thailandey tanora mpikatroka voampanga ho nanala baraka mpanjaka
"Fampahatsiahivana manafintohina izany manampahefana Thailandey mandà amin'ny fomba hentitra ny fahalalahan'ireo mpikatroka mpomba ny demôkrasia mba hampanginana ny fanehoana am-pilaminana ny tsy fitovian-kevitra."