Tantara mikasika ny Shina tamin'ny Jolay, 2012
Mametraka Ny Tahiry ICP-ny Any Shina Ny Vohikala Ofisialin'ny Lalao Olaimpika Ao Londona
Araka ny nambaran'ireo Sinoa maro mpampiasa aterineto, tsy ilaina ny fametrahan'ny Kaomitin'ny Lalao Olaimpika 2012 any Londona ny tahirin'ny vohikalany ao amin'ny MIIT
Hong Kong: Fihaonamben'olona An'Aliny Manohitra Ny Fanabeazam-Pirenena
Ilay fandaharam-pianarana vaovaon'ny fanabeazana fototra "mena" nahabe resaka dia mitohy niotrika tamin'ny herinandro lasa ary nanatevin-daharana ireo vondronà mpianatra sy mpampianatra voakasik'izany ireo fikambanan'ny ray aman-dreny mba hanakana ny governemanta amin'ny fampidirana ilay fandaharam-pianarana amin'ity Septambra ity
Shina: Nisambotra Mpampiasa Aterineto 5007 i Beijing
Ny 2012, hatreto ny rafitra fampiharana ny lalàna anaty aterineto an'ny filaminam-bahoaka ao Beijing dia nikirakira fanohintohinana miendrika heloka bevava maherin'ny 3.961 sy nisambotra olona noahiahiana niisa 2007. Ankoatra izay, nanaisotra votoaty niisa 366.000 tety anaty ateriento sy nanasazy orinasa mpanome tolotra aterineto niisa 7.549.
Shina : Mpitati-Baovao Nametra-pialàna Fa Nanao Vazivazy Ratsy Momba Ilay Vehivavy Mpanamory Sambondanitra
Nisolotena tamin'ny fandefasana ny Fiarandanitra Shenzhou 9, iraka an-habakabaka ho fanehoana ny voninahi-pirenen'i Shina i Liu Yang vehivavy mpanamory sambondanitra. Talohan'izay anefa, nisy fanapahan-kevitry ny iray avy amin'ny mpanao gazetin'ny “Southern People Weekly” Cao...
Seho Youtube Mitondra Ny Haino Aman-jery Sosialy Ho An'ireo Mpijery Miteny Anglisy
Te-hahalala ny zava-miseho ao amin'ny haino aman-jery sosialy any Shina nefa tsy mahay miteny Shinoa ve ianao ? Tohizo ary ny vakiteny. Efa efa-bolana izay no nanokafan'i Elle Lee (@ElleIconLee) sy Casey Lau (@hypercasey) Youtube mba hanaparitahana ny Weibo Today izay fandaharana isan-kerinandro ao anaty aterineto manasongadina ireo lohateny malaza avy amin'ireo tambajotra sosialy any Shina amin'ny teny Anglisy.
Angola, Sina: Miresaka Momba Ny Fampandrosoana Vaovao “Tanàna Maty” Ireo Mpampiasa Aterineto
Nampiditra orinasa Shinoa ny governemanta ao Angola mba hanangana tranobe lafo dia lafo miisa 750 ao Kalimba, eo ho eo amin'ny 30 kilometatra ivelan'i Luanda. Na dia eo aza ny fananana harena an-kibon'ny tany, dia olona maro ao Angola no miaina ao anaty fahantrana tanteraka ary tsy mahatakatra ny vidin'ireo tranobe. Ho lasa tanàna lehibe indrindra ao Afrika ve Kalimba?
Shina: Miparitaka Ny Adihevitra ‘Tsy Fahafahana Ny Fanaovana Sesitany’
Namerina nanokatra adihevitra momba ireo mpomba sy mpanohitra ny fanaovana sesitany i Chen Guangcheng. Ho very ve ny fanohanana an'i Chen sy ny fahefany raha mandao an'i Shina izy? Ary hamela azy hiverina an-tanindrazana ve ny governemanta Shinoa taorian'ny fifampikasohany tamin'i Etazonia?
Hong Kong: Nosavaina Ny Tranon'ny Mafana Fo Iray Noho Ny Fanendrikendrehana Ho Nisotasota Tamin'ny Aterineto
Tamin'ny 13 Jolay 2012, nisy vondrona mpitandro filaminana nanafika an'i Yang Yang (solon'anarana) tany an-tranony, mafana fo any Hong Kong ka naka an-keriny ny solosaina, ny lohamilina ary ny findainy...nolavin'i Yang izany fanendrikendrehana izany: "amin'ny maha-manampahaizana momba ny aterineto ahy, tsy hanao fanimbàna adaladala tahaka izaony aho. Ny solosaiko ao an-trano ihany ve no ho ampiasaiko? Mampihomehy izany. Na ohatra aza ka tena nanao izany fanimbàna izany aho, tsy ho fantatr'izy ireo mihitsy."
Shina: Tolon'ireo ONG Manoloana Ny ‘Governemanta Lehibe’
Nivadika ho adihevitra be teo amin'ny firenena ny fanehoan-kevitra nataon'ny vahiny iray tao amin'ny fahitalavitra momba ny tsy fiaraha-miasan'ireo tomponandraikitry ny fanabeazana any Hunan manoloana ny fandaharanasa ho fanofanana ireo mpampianatra any ambanivohitra, amin'ny hoe tokony sa tsy tokony hanana ny fahaleovantenany ny ONG Shinoa miohatra amin'ny fanjakana.